♦ Efa tsy ao amin'ny vovonana manohana ny fitondrana intsony ny antoko MMM. Nilaza ho resy lahatra ny amin'ny tokony hirosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena ihany koa ny Malagasy Miara-Miainga, araka ny nambaran'ny filoha nasiônaly... ♦ Voatonontonona amin'ny raharaha fakàna an-keriny tanin'olona eny Faravohitra ny Governoran'Analamanga. Nitondra fanazavana sy fitarainana ilay olon-tsotra iharan'izany... ♦ Manome 72 ora ny Ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ity Ministera ity. Fe-potoana hikaroham-bahaolana momba ny fitakiana tambin-karama, sy fanavakavahana ataon'ireo tale jeneraly sasany...
♦ Nanambara Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo fa efa tsy ao anatin'ny vovonana IRD manohana ny fitondrana, ny antoko MMM tarihiny. Handray anjara sy hanana kandida amin'ny fifidianana ho avy izy ireo... ♦ Manatevim-pahalalana amin'ireo didy aman-dalana momba ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy hanomboka amin'ny 1 oktobra izao, ireo tompon'andraikitry ny CENI any amin'ny faritra 23 manerana ny nosy... ♦ Manome 72 ora ny Minisiteran'ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, hitady vahaolana amin'ny fitakian'izy ireo ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ity minisitera ity...
♦ Olona 5 isa voalaza fa namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny RN7 ny maraina teo. Nanjakan'ny lozam-pifamoivoizana ihany koa iny faran'ny herinandro lasa teo iny teo amintsika. Ny fifamoivoizana an'habakabaka ihany no tsy nahitana izany... ♦ Efa mandeha ny fanadihadiana manokana ara-tsiantifika ataon'ny eo anivon'ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga, ny amin'ny antony mahatonga ireo trozona hita faty aty amin'ny morontsirak'i Madagasikara, izay efa nihoatra ny 10 tamin'ity taona ity... ♦ Tanora malagasy maro no ampian'ny fitondram-panjakàna ankehitriny, amin'ny fampananana asa sy fandraharahana samihafa. Fandaharan'asa tanterahin'ny ministeran'ny fambolena sy fiompiana...
♦ Tany Antsohihy, olona valo isa izao no efa hita, tamin''ireo namoy ny ainy tamin'ilay loza nitranga tany Apondrabe, vokatry ny faharendrehan'ny Vedette nitondra azy ireo alina. Mitohy ny fikarohana ireo olona hafa mbola tsy hita... ♦ Fampandrosoana goavana no hateraky ny ho fahavitan'ny lalana mampitohy an'Antsohihy sy Andapa, satria hampifandray ireo toerana tena isan'ny mamokatra indrindra eto Madagasikara izany, hoy ny governoran'ny Faritra Sofia... ♦ Manana paik'ady hampihenana ny adin-tany any amin'ny tontolo ambanivohitra ny Kaominina Alakamisy-Andranomadio, ao amin'ny distrikan'Anjozorobe...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco