♦ Hitohy amin'ny volana oktobra ho avy izao indray any Frantsa ny dinika momba ny fitakiana ireo "iles éparses". Ny fitadiavana marimaritra iraisana amin'ny Frantsay no tanjona, hoy ny ministry ny raharaham-bahiny, omaly... ♦ Kasaina hakarina ho 65 taona ny fandehanan'ny mpiasam-panjakàna misotro ronono. Mety hatolotra hodinihin'ireo parlemanta amin'ny fivoriana faharoa amin'ity taona ity ilay volavolan-dalàna mifehy izany... ♦ Ankizy sy olon-dehibe maherin'ny 17.700 isa no nahazo kaopiam-pahaterahana maimaimpoana teto amin'ny Faritra Analamanga, tanatin'ny tetik'asa "Etat-civil". Nanampy tamin'ny fanatontosàna izany ny OIF...
♦ Efa tsy ao amin'ny vovonana manohana ny fitondrana intsony ny antoko MMM. Nilaza ho resy lahatra ny amin'ny tokony hirosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena ihany koa ny Malagasy Miara-Miainga, araka ny nambaran'ny filoha nasiônaly... ♦ Voatonontonona amin'ny raharaha fakàna an-keriny tanin'olona eny Faravohitra ny Governoran'Analamanga. Nitondra fanazavana sy fitarainana ilay olon-tsotra iharan'izany... ♦ Manome 72 ora ny Ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ity Ministera ity. Fe-potoana hikaroham-bahaolana momba ny fitakiana tambin-karama, sy fanavakavahana ataon'ireo tale jeneraly sasany...
♦ Nanambara Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo fa efa tsy ao anatin'ny vovonana IRD manohana ny fitondrana, ny antoko MMM tarihiny. Handray anjara sy hanana kandida amin'ny fifidianana ho avy izy ireo... ♦ Manatevim-pahalalana amin'ireo didy aman-dalana momba ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy hanomboka amin'ny 1 oktobra izao, ireo tompon'andraikitry ny CENI any amin'ny faritra 23 manerana ny nosy... ♦ Manome 72 ora ny Minisiteran'ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, hitady vahaolana amin'ny fitakian'izy ireo ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ity minisitera ity...
♦ Olona 5 isa voalaza fa namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny RN7 ny maraina teo. Nanjakan'ny lozam-pifamoivoizana ihany koa iny faran'ny herinandro lasa teo iny teo amintsika. Ny fifamoivoizana an'habakabaka ihany no tsy nahitana izany... ♦ Efa mandeha ny fanadihadiana manokana ara-tsiantifika ataon'ny eo anivon'ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga, ny amin'ny antony mahatonga ireo trozona hita faty aty amin'ny morontsirak'i Madagasikara, izay efa nihoatra ny 10 tamin'ity taona ity... ♦ Tanora malagasy maro no ampian'ny fitondram-panjakàna ankehitriny, amin'ny fampananana asa sy fandraharahana samihafa. Fandaharan'asa tanterahin'ny ministeran'ny fambolena sy fiompiana...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco