♦ Mila fanavaozana ara-pitantanana sy ara-toe-karena ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny antoko Fanorenana Ifotony ho an'i Madagasikara. Nambaran'ny FIAM fa ilaina ny fikaonandoham-pirenena handinihana izany rehetra izany... ♦ Hanao hetsika manokana ny Zandarimariam-pirenena ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana amin'izao fotoanan'ny fialan-tsasatra izao. Fepetra maromaro no hihatra manomboka rahampitso eny amin'ny lalam-pirenena... ♦ Tobim-pahasalamana 116 any atsinanan'i Madagasikara no notoloran'ny USAID fitaovam-pitsaboana sy kojakoja samihafa. Fanampiana ara-pitaovana mitentina 34 miliara Ariary...
♦ Miatrika fihaonam-be manomboka anio ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona. Anisan'ny hodinihina amin'izany ny fanavaozana ny tranokalam-pifandraisan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Milaza ny tsy hihemotra manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny RMDM. Nanambara ny mbola hanohy ny hetsika fanehoan-kevitra izy ireo, na teo aza ny fanakànana ny sabotsy teo... ♦ Niakatra hatramin'ny 3.000 Ariary/gony ny vidim-bary eny amin'ireo mpamongady. Voalaza ho anisan'ny anton'izany ny fiakaran'ny vidin-tsolika, na mbola mitobaka ny vary eny an-tsena amin'izao...
♦ Nilaza ny RMDM androany, fa mbola hiverina eny an-kianja, na dia tsy tanteraka aza ilay fihaonam-be ho fanavotam-pirenena nokasainy ny sabotsy teo... ♦ Nanameloka ny fihetsika nisakanana iny hetsika iny androany ny HVM. Rariny anefa raha nosakanana izany satria tsy nahazoana alalana, hoy ny VMFM. Miantso ny andaniny sy ny ankilany mba handini-tena etsy ankilan'izany ny CFM... ♦ Nanomboka androany hatramin'ny alakamisy izao ny bakalorea teknika andiany faharoa...
♦ Efa navotsitra ny sekretera jeneraly sy ny mpandrindra nasiônalin'ny antoko TIM, taorian'ny fisamborana nandritra ny hetsiky ny RMDM teny Behoririka... ♦ Hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalorea teknika sy teknôlôjika manomboka anio ireo mpianatra amin'ny kilasy famaranana eny anivon'ny Lisea teknika. Mpiadina 11.631 no voasoratra anarana manerana ny nosy... ♦ Misaona ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry teo amin'ny faha-87 taonany ny sabotsy hariva teo i Remi Rahajarizafy mpanao gazety zokiolona... ♦ Mitsidika any Canada nanomboka omaly hariva ny Papa François...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco