♦ Nesorin'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, tsy ho isan'ny mpikambana ao amin'ny Governemanta Ntsay Christian, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Randriamandranto Richard. Ny Ministry ny Fiarovam-pirenena, Rakotonirina Richard no misolo toerana azy vonjy maika... ♦ Tsy azo ekena, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, ireo depiote mihoa-pefy, mitsabaka manao ny asan'ny manam-pahefana mpanatanteraka. Nisokatra androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Andrim-panjakana mpanao lalana eto Madagasikara...
♦ Sokafa amin'ny fomba ôfisialy izao antoandro izao ny fivoriana ara-potoana faharoa eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Anisan'ny tena andrasan'ny maro ny mety hampiantsoana ireo Solombavam-bahoaka voarohirohy amin'ny raharaha fandikan-dalana... ♦ Tsy maintsy ampanarahana ny fenitra avoakan'ny LNTPB avokoa atsy ho atsy ny fanamboarana biriky fanorenan-trano... ♦ Mbola hitohy ato anatin'ny dimy taona ny fanampian'ny USAID an'i Madagasikara amin'ny sehatry ny rano. Hisy tetikasa maromaro hotanterahana, hanadiovana ny tanan-dehibe sy hamatsiana rano ny tontolo ambanivohitra...
♦ Hanomboka anio ny fivoriana ara-potoana faharoan'ireo Antenimeira mpanao lalana eto amintsika. Andrasana horesahana mandritra izany ireo fandikan-dalana nataon'ny Solombavam-bahoaka tato ho ato... ♦ Niodina nanomboka ny maraina teo ny milina vaovao fahefatra mpihary herinaratry ny Jirama, any Andekaleka. Nitombo ho 90 Megawatts amin'izao ny vaikan'aratra avoakan'ny toby famokarana any an-toerana... ♦ Lohan'olona maherin'ny folo no mbola tsy hita hatramin'izao any Belo-sur-Tsiribihina, tao aorian'ny fanapahan-doha misesisesy...
♦ Nanome toky androany, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, fa hanaraka akaiky ireo raharaha mafampana mahakasika ireo Solombavam-bahoaka, ny andrim-panjakana izay tantanany... ♦ Tsy manan-kery ireo raharaham-pitsarana tsy atrehana sy tsy soniavin'ny mpirakidraharam-pitsarana. Mbola mitohy ny fitokona, hoy ny Sendika androany... ♦ Lohan'olona folo no mbola tsy hita hatramin'izao any Belo Ambonin'i Tsiribihina. Miantso ireo tompon'andraikitra mahefa, ny Olobe avy any an-toerana...
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco