♦ Tsy honohono fa tena misy ny famarotana zaza araka ny fanamafisana nentin'ny solombavambahoakan'i Ikongo Razafitsiandraofa Jean Brunelle, androany maraina. Efa in-droa nifanojo tamin'ireo reny nivaro-janaka ny vadin'ity solombavambahoaka ity saingy nisy ny fandraisan'andraikitra nataony... ♦ Hitan'ny pôlisy tao amin'ny tanàna iray ilay zaza nisy nangalatra omaly tao amin'ny toeram-pitsaboana iray ao Toliara. Nisy ireo olona notanan'ny pôlisy avy hatrany tamin'ity raharaha ity... ♦ Mahatratra 70% hatramin'ny 80% ny fatiantoka ho an'ny trano mpanonta boky malagasy noho ny fisian'ny mpanao hosoka. Maro amin'ireo mpanoratra no kivy vokatra izany asa fisolokiana izany...
♦ Nanjavona teo am-pelan-tanan'ny mpitandro ny filaminana ny rongony 8 gony rehefa avy nalain'izy ireo tao amin'ny tokantrano iray ao Tanambao any Morondava. Nisy ireo nijoro vavolombelona tamin'ity tranga ity... ♦ Ahiana hikatso ny famatsiana entana samihafa satria mandrahona hitokona ireo mpitondra camion raha toa ka tsy misy ny fandraisana andraikitry ny mpitondra amin'ny lalam-pirenena faharoa, mialoha ny alahady izao... ♦ Manodidina ny 200.000Ha isan-taona ireo ala simba eto Madagasikara, hoy ny fikambanana Graine de vie... ♦ Any ivelany : Tafakatra 5.000.000 ireo zaza latsaky ny 5 taona maty tamin'ny taona 2021...
♦ Nigadona androany tany amin'ny Diôsezin'Ambanja, i Mgr Donatien Francis Randriamalala, izay notendren'ny Papa François ho Eveka any amin'ity Diôsezy ity... ♦ Nanjavona teo am-pelantanan'ny mpitandro ny filaminana ny rongony valo gony, rehefa avy nalain'izy ireo tao amin'ny tokantrano iray, tao Tanambao any Morondava. Nisy ireo nijoro ho vavolombelona tamin'ity tranga ity... ♦ Ahiana hikatso ny famatsiana entana samihafa, satria hiroso amin'ny fitokonana ireo mpitondra camion, raha toa ka tsy misy ny fandraisana andraikitry ny mpitondra amin'ny lalam-pirenena faharoa, mialoha ny alahady izao...
♦ Mety ho betsaka ny rotsak'orana aty afovoan-tany sy ny ilany atsinanan'ny nosy ato anatin'ny telo andro, raha ny vinavinan'ny Météo. Misy ny filazàna fahamailoana amin'ny mety ho fiakaran'ny rano sy ny fihotsahan'ny tany, mety haterak'izany... ♦ Mila ho isan-kerinandro ny fiakaran'ny vidim-bary sy voamaina vokarina eto an-toerana eny an-tsena amin'izao. 200 Ariary isan-kilao ny fiakaran'ny vidim-bary, 100% aza ny fisondrotry ny vidin'ny katsaka ankehitriny... ♦ Nanao fanambaràna ireo Ben'ny Tanàna maro an'isa any Ambovombe-Androy, manoloana ny fanenjehina ny kestora voalohany eo anivon'ny Antenimieram-pirenena. Nomelohin'izy ireo ny fanaratsiana ity solombavambahoakan'Ambovombe ity, izay ataonà olom-boafidy hafa...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco