♦ Ilaina ny hisian'ny fikaonandoham-pirenena mba hisorohana ny savorovoro aorian'ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny antoko Leader Fanilo. Mbola eo am-pandinihana ny toerana hisy ny antoko amin'ny fifidianana ho avy ity antoko ity amin'izao... ♦ Haodina ho lasa entona sy zezika ny fakon'Antananarivo hatoby eny Andralanitra. Hatsangana ny orinasa hanodina izany, ka andaniam-boa 5 tapitrisa Euro, vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra... ♦ Voafidy fanintelony ho filohan'ny federasiôna malagasin'ny baolina lavalava Anddriamatoa Rakotomalala Marcel. Tontosa ny maraina teo tany Toliara ny fifidianana, ka ligy miisa 4 amin'ireo 4 izay tonga nifidy no nandany azy...
♦ Hanao fanadihadiana momba ilay raharaha fitifirana namoizana ain'olona am-polony maro tany Ikonjo ireo solombavambahoaka. Hatsangana ny vaomiera hanao fanadihadiana parlemantera momba izany... ♦ Efa nivoaka ny lisitr'ireo voafantina mpianatra ho zandary, ka hiatrika fiofanana tsy ho ela. Notononina ampahibemaso omaly ny anaran'ireo afaka tamin'ny dingana fifaninana faharoa... ♦ Dinihina sy ifanakalozan-kevitra eny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny tanàna Analakely nanomboka omaly ny olana sy ny tontolon'ny fananan-tany. Toerana hampahafantarana ny rehetra ny momba ny lalàna mifehy izany sehatra izany...
♦ Nampidirina am-ponja vonjy maika, ny mpizahan-tany iray teratany "espagnol" sy malagasy miisa telo voasaringotra tamin'ny fanolanana sy famonoana ilay zazalahikely 7 taona tany Morondava. Miantso vonjy amin'ny filoham-pirenena mivady ny ray aman-drenin'ilay zaza... ♦ Hamoraina ny fahazoana famatsiam-bola hiadiana amin'ny fiovan'ny toetrandro, ho an'ireo firenena mampiasa ny teny frantsay, araka ny fivoriana nokarakarain'ny OIF, mifanindran-dalana amin'ny COP-27 atao any Egypte... ♦ Havaozina ny drafitra sy ny paik'ady hiatrehana ny rivo-doza sy ny tondra-drano amin'ny fotoam-pahavaratra, hirosohana ny loza mihoampampana toy ny tamin'ny farany teo...
♦ Tapaka teo anivon'ny asam-baomiera teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny hananganana vaomiera hanao fanadihadiana parlemantera tamin'ny zava-nitranga tany Ikongo. Handalo fankatoavana amin'ny alalan'ny fivoriana itambaramben'ireo Solombavam-bahoaka izany, ny 15 nôvambra izao... ♦ Minatso ireo mpiara-miasa aminy eo anivon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy, hiaro ny fiandrianam-pirenena sy hanaja ny tombontsoa ambonin'ny firenena, ny Minisitra mpisolo toerana, ny Jeneraly Rakotonirina Léon Richard...
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco