♦ Ny Praiministra no mpanome baiko misakana ireo antoko pôlitika tsy hanao hetsika fanentànana hisoratra anaty lisi-pifidianana, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Kabary nataony izany nandritry ny hetsiky ny Tim Distrikan'Atsimondrano ny sabotsy teo... ♦ Tsy hanaiky hatramin'ny farany hanokafana ny orinasa Base Toliara ny fikambanana Masikoro Arivolahy. Tsy mankasitraka izany ny mponina eny ifotony, hoy izy ireo, rehefa novoriana ireo avy amin'ny Fokontany18, voakasiky ny ftrandrahana... ♦ Voasambotry ny pôlisy ny olona miisa 03, nahavanona ilay fakàna an-keriny sy famonoana zazakely 9 taona, hita faty teny Tanjombato. Nitarika ny famonoana ilay zaza ny vola naloan'nyy fianakaviany, izay tsy nahafa-po azy ireo...
♦ Mitana hatrany amin'ny tsy fombàna ny atsy na aroa i Madagasikara na dia nifidy ny hisitahan'ny tafika Rosiana ao Ukraine aza, manoloana ny ady ataon'i Rosia amin'ny Ukraine... ♦ Mbola tsy hita popoka hatramin'izao ireo teratany Vahiny miisa 04 voalaza fa niaraka tamin'ilay sambo iray, tavela teny an-dranomasina tany Vohémar... ♦ Fito (07) volana izao no tsy nandray solom-paladiany ireo mpanentana ara-pahasalamana any Mandritsara. Mandrahona ny tsy hanao tatitra ny asany izy ireo... ♦ Tafakatra 50 000 isa mahery ireo maty vokatry ny horohorontany nitranga tany Turquie sy Syrie...
♦ Misy ireo entana lany daty miparitaka any Morondava. Takian'ireo mpanjifa ny hampahafantarana ny mpamongady mivarotra izany... ♦ Nidina ifotony nitondra fanampiana ho an'ireo tra-boina vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Freddy tan Mananjary ny Filohan'ny Repoblika Rajoelina Andry... ♦ Hitarika tsy fitoniana amin'izao vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao ny sakantsakana atao amin'ireo antoko pôlitika, hoy ny Tanora RMDM... ♦ Miantso amin'ny tokony hamerenana ny fandriam-pahalemana ao Ukraine ny Papa François, amin'izao fahaherintaona nanafihan'i Rosia an'i Ukraine izao...
♦ Asa tanamaro, fanarenana ny CEG Mananjary, izay potiky ny rivodoza Freddy, no namaranana ny fitsidihan'ny Filohan'ny Repoblika, ny tany Mananjary androany tolakandro... ♦ Tsy hampisy fitoniana amin'izao mialoha ny fifidianana izao, ny fanakanana ny antoko pôlitika hamory ny mpomba azy, toy ny teny amin'ny Magro Behoririka androany, hoy ny Tanora RMDM... ♦ Mila hamafisina ny fanatsarana ny ady amin'ny kolikoly eo amin'ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany malagasy, hiarovana ny zon'ny mponina voakasika, hoy ny TI-MG androany...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco