♦ Nirehitra ny toeram-ponenana tao Antanambaovao ao Foulpointe any amin'ny Faritra Atsinanana. Trano 50 tafo eo no kilan'ny afo. Miantso ny tompon'andraikitra sy ireo tsara sitrapo ny traboina hanampy azy ireo... ♦ Miantso ny mpiara-miombon'antoka na ato anatiny na any ivelany ny fitondram-panjakàna malagasy nandritra ny filan-kevitry ny ministra amin'ny fifanomezan-tanana amin'ny fampitaovana ilaina hifehezana faran'izay haingana ny afo miparitaka amin'ireo ala mirehitra eto amintsika... ♦ Mitohy ny fiantsoana an'ireo mpiara-miombon'antoka hafa na teratany vahiny na teratany malagasy amin'ny fanatanterahana ilay tetik'asa hamokarana sakafo amin'ny velaran-tany 60 000 Ha ao Bas-Mangoky...
♦ Nirehitra ny toeram-ponenana any Antanambaovao any Foulpointe, Faritra Atsinanana. Trano 50 tafo teo ho eo no kilan'ny afo. Miantso ireo tompon'andraikitra sy ireo tsara sitrapo ny traboina hanampy azy ireo... ♦ Mananosarotra ny fifehezana ny afo ao amin'ny faritra arovana manokana ao Ambohitantely, Distrikan'Ankazobe, Faritra Analamanga. Mirotsaka an-tsehatra mifarimbona amin'ny famonoana ny afo ny Hery Vonjitaitran'ny Polisim-pirenena na ny FIP sy ny mpamonjy voina ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...
♦ Manao tatitra amin'ny Banky iraisam-pirenena any Washington ny Fanjakàna Malagasy, tarihin'ny Ministry ny Fitantanam-bola. Tatitra, momba ny fivoaran'ny fanatanterahana ny fanavaozan-drafitra ara-toe-karena eto Madagasikara... ♦ Miantso ny hanampiana fitaovana entin'izy ireo miasa ny tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon'ny Fitsaràna fandravàna didy. Fanamby ho azy, amin'ny fandraisana io andraikitra io, ny tsy hisian'ny antotan-taratasin'ady mitarazoka intsony... ♦ Vahaolana hitan'ireo manampahaizana avy amin'ny Banky iraisam-pirenena manoloana ny hain-tany any atsimon'ny nosy ny fanorenana toho-drano lehibe any Tsivory. Nanao fanadihadiana tany amin'ny reniranon'i Mandrare izy ireo, nahitàna izany vahaolan'ny kere izany...
♦ Nahatratra 140 ireo tebok'afo, ahitàna doro-tanety eto Madagasikara. Firehetana maromaro hafa indray no hita omaly, toy ny faritra arovana any Ivohibe sy Ambohitantely Ankazobe... ♦ Mbola hanohy ny fitokonany, hampikatso ny raharaham-pitsaràna ny sendikan'ny mpiraki-draharaha. Tsy nahavaha olana ny dinika nataon'ireo mpitarika tamin'ny Fiadidiana ny Repoblika... ♦ Nandraisana andraikitra ny fisiana biby maromaro matin'ny trangan'aretina Raboka tao amin'ny valan-javaboaharin'i Tsimbazaza. Arahi-maso avokoa ireo biby ao an-toerana amin'izao...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco