♦ Feno 14 taona katroka anio ilay fitifirana olona tamin'ny 7 febroary 2009. Tsy fantatra ny tena marina momba ity raharaha ity hatramin'izao, tsy misy na fanadihadiana na fitsarana... ♦ Misy fanodikodinam-bola 360 tapitrisa Ariary eo anivon'ny Paositra Malagasy. Maromaro ireo mpiasa vaorohirohy amin'izany, ka anisan'izany ny Tale Jeneraly, hoy ny gazety iray mpiseho isan'andro... ♦ Hotapahana rahampitso ny vahaolana hamahana ny olana sedrain'ireo mpamokatra sy mpandraharaha amin'ny lavanila eto Madagasikara...

♦ Tsy mitsahatra ny mitady vahaolana sy mikatsaka ny tombontsoa ho an'ireo tantsaha sy mpandraharaha ny fitondram-panjakana, manoloana ny olana amin'ny mbola fisian'ny lavanila maro, no ireo tsy lafo... ♦ Mbola misy ampiasaina hatrany amin'ny 40 taona, ireo harena an-kibon'ny tany, izay akora fototra ilain'ny orinasa Cementis hamokarana simenitra any Ibity... ♦ Notoloran'ny orinasa Telma vola 136 tapitrisa Ariary androany, ireo mpilalao sy ny Staff technique an'ny Barea...

♦ Mbola miaina anaty fandikan-dalàna ny Fitondrana ankehitriny, vokatry ny fitanany ny governoram-paritra tsy voafidy, hoy ny Ministra teo aloha Tsaranazy... ♦ Mihoa-pampana ihany ny antontan'isa momba ny kolikoly eny anivon'ny fonja, izay nampahafantarin'ny rafitra iray tamin'iny herinandro lasa iny, hoy ny tompon'andraikitry ny fonja... ♦ Misy hatrany ny tranga vaovao amin'ny Covid-19, kanefa efa tena goragora tanteraka ny fampiharana ny fepetra sakana...

♦ Higadona eto Madagasikara rahampitso ireo mpilalao sy ny delegasiôn'ny Barea. Hisy ny fitsenana makotroka azy ireo ety Ivato mandram-pahatonga any Mahamasina, hoy ny fampitam-baovaon'ny Ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena... ♦ Mbola tsy voafaritra na hotanterahina amin'ity taona ity na tsia ny fifidianana Ben'ny tanàna, noho izy mifanindry amin'ny fifidianana Filoham-pirenena. Milaza ny tsy mahatapaka samy irery ny CENI, raha ny fanazavàn'ny filohany omaly... ♦ Manaitra ny Fanjakàna foibe ny mponina avy amin'ny Kaominina Maromby, Distrikan'Amboasary-atsimo amin'ny afitsok'ireo Zandary anatin'ny CSAO izay mampandry tany any an-toerana, eto an-drenivohitra ny solonten'ny mponina nampahafantatra ny zava-misy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...