♦ Nampahafantarin'ny CENI androany, ireo vinavina amin'ny datim-pifidianana, izay ho Filoham-pirenena, hotanterahana amin'ity taona ity... ♦ Nahitana fiakarany ny tahan'ny fanondranan'i Madagasikara vokatra ivelany, ho an'ny taona 2022, noho ny fitomboan'ny fanondranana Nickel sy Cobalt... ♦ Mitaky ny hamoahana ny marina tamin'ireo raharaha fanodikodinam-bola nisy teo anivon'ny Jirana ny MCI...

♦ Mbola tsy nahitam-bahaolana mazava hatramin'ny androany, ny fitarainan'ireo mpandraharaha lavanila tamin'ny fitondram-panjakana... ♦ Manoso-kevitra hametrahana fanjakana vaovao na "État nouveau", Andriamatoa Gérard Andrialemirovason, mpanao pôlitika akaiky ny Amiraly Ratsiraka. Nambarany androany, fa tsy marin-toerana intsony ny fitondrana ankehitriny... ♦ Mbola tsy tafaverina eny anivon'ny fianakaviany, herinandro aty aoriana, ilay zaza varira 9 taona, nisy naka an-keriny tany Vangaindrano...

♦ Ny fanafainganana ny fametrahana ny ZLECAF na ny Sehatra Hifanakalozana aty amin'ny Kaontinanta Afrikana no hifantohan'ny fivoriambe ara-potoana faha-36 ho an'ny Vondrona Afrikana. Hanomboka amin'ny 18 febroary izao izany any Addis Abbeba ka handray anjara amin'izany i Madagasikara... ♦ Mbola manana hatramin'ny faran'ny volana febroary izao ireo orinasa nahazo ilay taratasy fanitsiana ara-ketra avy amin'ny foibem-pitantanana ankapobeny hetra mba hamalian'izy ireo izany... ♦ Namoaka ny tetiandro ho an'ny fanadinana bakalôrea ny ministera. Ho tanterahina ny 17 hatramin'ny 21 jolay 2023 izany ho an'ny fampianarana ankapobeny sy ny tapany voalohany ho an'ny bakalôrea teknika...

♦ Mametraka fanamby hampiakatra ny tahan'ny fandoavan-ketra ho 15% ny foibem-pitantanana ankapoben'ny hetra hatramin'ny taona 2025. Mahavelombolo ny hetra niditra tamin'ny taona 2022 hoy ny tale jeneraliny... ♦ Hanampy ny tanora mpandraharaha hiditra amin'ny sehatry ny ara-dalàna ny Sendikàn'ny Indostria Malagasy. Napetraka ny Ivon-toeram-pitantanana ankatoavina. Fiara-miasan'ny SIM sy ny PNUD... ♦ Niravona ny disadisa nateraky ny fahaverezan'ny finday avo lenta teny amin'ny Lycée Andohalo. Efa notsoahin'ilay ray aman-drenin'ny mpianatra very finday ny fitoriana tany amin'ny mpitandro filaminana. Heverina hianatra ny mpianatra rahampitso taorian'ny fampihatoana 48 ora...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...