♦ Tombanana hikasika ny morontsiraka afovoany atsinanan'ny nosy ny rivodoza Freddy, amin'ny talata na alarobia ho avy izao... ♦ Natolotra tamin'ny alalan'ny atrik'asa nasiônaly androany, ny volavolan-dalana ho fananganana ny filankevitra ara-toekarena sy sôsialy, ary ny kolontsaina eto Madagasikara... ♦ Noho ireo ekipam-pirenena Ankoay, sokajy lahy sy vavy, nitondra avo ny voninahi-pirenena, dia notoloran'ny Filoha Andry Rajoelina, Mari-boninahi-pirenena sy "prime spéciale", izy ireo androany...
♦ Zava-dehibe ny fanomezan-kasina ny Hiram-pirenena sy ny Sainam-pirenena, hoy ireo tompon'andraikitra nanaovana fanadihadiana... ♦ Fotoana hanomezana tso-drano ireo Minisitra tsy nahatratra ny vina napetraky ny Filoha izao, hoy ny fikambanana FITAMA... ♦ Miverimberina indray ny fahatapahan'ny herinaratra, efa ho herinandro izao, any Manakara...
♦ Mety ho fandraisana anjara farany ho an'ireo Minisitra sasany eo anivon'ny Governemanta, ny Filankevitry ny Minisitra teny Iavoloha omaly. Tombanana hisy fanovana governemanta ato ho ato, raha ny vaovao efa miparitaka amin'izao... ♦ Manambana hanao hetsika mafampana amin'izay ireo mpiasam-panjakana tsy nisitraka ny tambim-pandehanana hisotro ronono, nanomboka ny taona 2019. Misy 4000 any ho any izy ireo ankehitriny, no misedra izany olana izany... ♦ Hisokatra manomboka ny 1 marsa 2023 izao, ny taom-panjonoana makamba, manerana ny fari-dranomasin'i Madagasikara...
♦ Araha-maso akaiky amin'ny herinandro ho avy ny fivoaran'ilay rivo-doza FREDDY atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Raha ny vinavinan'ny lalany araka ny sary avy amin'ny zana-bolana dia ahiana ny ahavoakasika ny morotsiraka avaratra atsinanana sy atsinanan'ny nosy... ♦ Ahitana andiam-balala any amin'ny Faritr'i Ihorombe. Manambana ihany koa ny any amin'ny Faritr'i Menabe, Vakinakaratra ary Bongolava. Misy ny asa maika tsy maintsy atao. Tombanana hatrany amin'ny 400.000Ha ny velaran-tany ho voafendraka fanafody... ♦ Tsy maintsy manaja ny lalàna misy eto amin'ny firenena ireo mpianatra sy mpampianatra manoloana ny zava-misy tany amin'ny Faritra Matsiatra-Ambony hoy ny tompon'andraikitra...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco