♦ Mihamanantona hatrany ny morontsiraka atsinanan'ny nosy ilay rivo-doza FREDDY atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Nisy fihenany ny heriny, lasa rivo-doza mahery vaika izy ny maraina teo, araka ny nambaran'ny Météo Madagasikara... ♦ Tsy hanova ny fomba fitantanana eto amintsika ny fanovàna ny mpikabana ao amin'ny governemanta hoy ny solombavambahoaka avy amin'ny antoko TIM, Todisoa Andriamampandry. Tsy mahamaika intsony ny fanovàna araka ny fanazavany... ♦ Tsy tokony ho sakana amin'ny fanatanterahana ny fifidianana amin'ity taona ity ny vola hikarakarana izany hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa. Mbola azo ovaina ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna mirakitra izany hoy izy...
♦ Hikasika ny morontsiraka atsinanan'ny nosy rahampitso alina na amin'ny alarobia maraina i Freddy, rivo-doza mahery vaika atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Tany amin'ny 1 600 km atsinanan'i Toamasina no nisy ny foibeny omaly folak'andro... ♦ Ho sarotra ho an'ny CENI ny ahatratrarany ny fanamby napetrany amin'ny isan'ny olona tafiditra anaty lisi-pifidianana hoy ny Sampanda Fanaraha-maso ny fifidianana SAFIDY manoloana ny tranga efa niainantsika hatramin'izay. Ilaina ny fanaovana fitsirihana na ny Audit mba hisorohana ny ahiahy tsy hiavanana... ♦ Minia tsy mihaino ny fitakiana ataony ny fitondram-panjakàna hoy ny valabe firasankinan'ny mpiasa malagasy. Hiroso amin'ny angaredona manoloana ireo olan'ny Sendika ny SSM...
♦ Miha-manakaiky ny morontsirak'ireo firenena aty amin'ny Ranomasimbe Indiana ilay rivo-doza Freddy. Mbola voatàna hatrany ny filazana loza fanairana na loko maitso ho an'ireo faritra amin'ny morontsiraka atsinanan'i Madagasikara... ♦ Governemanta tsy mitanila, hanomana fifidianana no takiana, raha hisy ny fanovàna izany hoy ny antoko MFM, izay no hampisy fifidianana madio sy mangarahara ary eken'ny rehetra... ♦ Tataovan-doza noho ny kolikoly ny hazo sarobidy eto amintsika. Faritra hisian'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna betsaka indrindra ny any Menabe, raha ny fanadihadiana nataon'ny Transparency International Initiative Madagascar...
♦ Tombanana ho tafiditra eto Madagasikara amin'ny talata na ny alarobia izao ilay rivo-doza Freddy. Any amin'ny 2 000 km, atsinanana somary avaratra atsinanan'i Toamasina no nisy ny foibeny ka mitondra rivotra 200 km/ora... ♦ Mikasa ny hamerina haka ny toeran'ny filoha lefitra fahafito eny amin'ireo Antenimiera mpanao lalàna ny RMDM. Mitaky amin'ny Fanjakàna hamoaka ny didim-panjakàna fampiharana izany, ny Rodoben'ny Mpanohitra omaly... ♦ Tsy maharaka intsony ny foto-drafitr'asa handraisana ny mponina ao an-drenivohitra, noho ny fifindrà-monina an-tanàn-dehibe. Nitombo ho 2 000 000 isa eo amin'izao ny isan'ny mponina ao Antananarivo Renivohitra, raha tokony ho 400 000 fara-fahabetsany...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco