♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ Mada andiany faha-11 horaisin'ny tanànan'i Toamasina. Namoaka hafatra ho an'ny tanora mifandraika amin'izany ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny faran'ny herinandro teo... ♦ Namoahan'ny PAC Antananarivo didy fampisamborana iraisam-pirenena hafa indray Andriamatoa Mamy Ravatomanga, noho ny raharaha fanondrànana letchi. Olona 7 hafa ihany koa namoahan'ny Fitsaràna didy... ♦ Navaozina ny fifanarahana hitantanan'ny mpanazatra Corentin Martins ny Barean'i Madagasikara. Vita sonia ny sabotsy teo ny fifanaraham-piaraha-miasa herin-taona tsy azo havaozina momba izany...

Notendren’ny Papa Léon XIV ho Evekan’ny Diosezin’i Port-Victoria, Seychelles i P. Rasamison Landry Phillippe, taorian’ny nankatoavin’ny Ray masina ny fangatahan’i Mgr Alain Havel hitsahatra amin’ny asany amin’io Diosezy io.

♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ any Toamasina saika hotanterahana amin'ity taona ity. Fanapahan-kevitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara manoloana ny voina nateraky ny rivodoza Gezani... ♦ Nigadona an-tanindrazana ny delegasiôna malagasy notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika tany Rosia. Fahombiazana ny dia natao tany araka ny fanazan'ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Mbola manamafy hatrany ny météo malagasy fa ho betsaka ny rotsak'orana eto amin'ny Faritra Analamanga anio. Hiseho any Tsaratanàna, Andilamena ary Amparafaravola izany rahampitso...

♦ Manahy amin'ny ho avin'ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara ny vovonan'ny fitantanana ny fampianarana amin'ny sehatra tsy miankina (DNP). Hijoro, tsy hilavo lefona manoloana ny zava-misy izy ireo raha nitafa tamin'ny mpanao gazety... ♦ Hivadika ho Université Virtuelle ny CNTEMAD. Nosantarina, omaly, teny Anosy ny fidirana amin'ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra... ♦ Manomboka miverina ny famatsian-dranon'ny Jirama ao an-tampon-tanànan'i Toamasina hoy ny Ministry ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana. Famatsiana rano tapaka noho ny fandalovan'ny rivodoza Gezani farany teo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...