♦ Feno dia feno ny fandaharam-potoanan'ny Antilin'i Madagasikara mialoha ny Sorona Masina ho fanokafana ôfisialy ny  faha-100 taonany. Misy ny tsara ho fantatra mikasika ny fandaharam-potoana... ♦Nanantitrantitra ny amin'ny tokony hanajàna ny asa mba hiverenan'ny fahatokisan'ny vahoaka ny Fitsaràna ny Ministry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Manatanteraka fidinana ifotony any Avaratry ny nosy Ramatoa Ministra ankehitriny... ♦ Ny 19 may hatramin'ny 21 may no hanatanterahana ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja... 

♦ Voasolo tena avokoa ireo ankolafin-kery rehetra, nandritra ilay fampihaonana momba ny zotram-pifidianana, nokarakarain'ny CENI androany, teny Alarobia... ♦ Niala tsy ho ao anatin'ny kômity mpanara-maso eo anivon'ny Fitsarana miady amin'ny kolikoly, na PAC, intsony ny Fiarahamonim-pirenena. Nanao fanambarana izy ireo androany, nilaza fa miteraka korontana ara-pitantanana ilay lalana Idealson, nolaniana tamin'ny taona 2021... ♦ Tsy nisy afa-tsy 7,84% ny taham-panaovam-bakisiny fanefitry ny Covid-19, teto Madagasikara, tao anatin'ny roa taona. Nahazo daozim-bakisiny "Pfizer" maherin'ny 7 alina indray isika Malagasy androany, hampitomboana isa izay fanaovam-bakisiny izay...

♦ Tonga maro, namaly ny antson'ny CENI ireo mpisehatra pôlitika androany, teny Alarobia... ♦ Nisy ireo antoko pôlitika maromaro, mikasa hanova ny lalana fehizoro mikasika ny fifidianana, eny amin'ny Antenimiera mpanao lalana, amin'ny volana mey... ♦ Misedra olana amin'ny tsy fisian'ny mpividy lavanila koa, ireo mpandraharaha any Mandritsara, ka manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana...

♦ Hotanterahana anio eny Alarobia, ny dinika momba ny zotram-pifidianana, izay iarahana amin'ny CENI amin'ireo sehatra pôlitika. Efa nilaza ny hanatrika izany koa ny FFKM... ♦ Milaza ho tsy matoky intsony ny HCC, ary miahiahy amin'ny fifidianana madio ireo Solombavam-bahoaka niray feo teny Ambohimanambola omaly... ♦ Nihamafy ny hetsi-pitakiana nataon'ny mpianatra eny Vontovorona. Niditra an-tsehatra tamin'ny fisamborana, ny mpitandro ny filaminana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...