♦ Manova paik'ady indray ny dahalo ao amin'ny Distrika Ankazobe amin'ny fanafihana ataony. Manentana ny vahoaka sy ny mpitondra eny ifotony ho mailo, hoy ny solombavambahoaka Rija Rasoava Rakotoarisoa... ♦ Maherin'ny 200 ireo voafonja afaka nivoaka ny fonjan'Antanimora omaly nahazo ny fanalefan-tsazy avy amin'ny filohan'ny Repoblika... ♦ Nanokatra ny taona 2024 omaly ny RMDM. Vonona hiady amin'ny tsy rariny sy ny tsy fanajàna ny lalàna izy ireo. Mitohy ny tolona hoy ny mpitondra teniny Pasitera Edouard Tsarahame... ♦ Nanambara ny Praiministra israeliana fa tsy hihazona maharitra an'i Gaza eo am-pelantanany izy ireo. Ny hamongorana ny Hamas no tanjon'izy ireo...

♦ Havaozina sy hatsaraina ny paikady fanabeazana entina miatrika ny fifidianana eny anivon'ny Kaominina sy ny fifidianana solombavambahoaka ataon'ny SAFIDY. Misy ny atrik'asa ataon'izy ireo nanomboka androany any Antsirabe... ♦ Nahitam-bokany ny fampandrian-tany ataon'ny mpitandro ny filaminana any amin'ny Distrika Ankazobe, tsara ary tokony ho tohizana izany hoy ny vahoaka. Na izany aza tsy mbola milamina tanteraka ny any an-toerana... ♦ Miisa 909 ireo voafonja voakasiky ny fanalefahan-tsazy avy amin'ny filohan'ny Repoblika, ho an'ny fonja eny Antanimora. Nahatratra 263 ireo voafonja nahazo fahafahana hatramin'ny androany hariva ka efa nivoaka ny fonja...

♦ Mpikamban'ny governemanta Ntsay Christian : Ho fantatra ny faran'ny herinandro izao ny lisitry ny anaran'ireo ministra nahafeno ny fepetra... ♦ Nahatrarana vary simba 35 gony hafa indray tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, vary saika halefa tany Taolagnaro... ♦ Fako manodidina ny 500 taonina isan'andro eo no hesorin'ny mpiasa eo anivon'ny SMA ao Antananarivo-renivohitra, tsy maharaka ny fitaovana entina manala ireo fako... ♦ Misavorovoro tanteraka ankehitriny ny any Equateur taorian'ny fandosiran'i Adolfo Matias lehiben'ny fikambanan-jiolahy tao amin'ny fonja nitazomana azy ny alahady lasa teo...

♦ Hankalazaina miaraka ny 10 mey 2024 izao ny faha-5 taonan'ny fitsidihana apôstôlika nataon'i Papa François teto Madagasikara sy ny faha-35 taona ny fitsidihana apôstôlika nataon'ny Olomasina Jean Paul-II, teto amintsika ny taona 1989... ♦ Efa tonga any Mahajanga ny fanafody sy kojakoja ilaina andraisana an-tanana ireo voan'ilay areti-maso mirongatra any amin'ny Faritra Boeny... ♦ Efa nisokatra nanomboka ny volana novambra 2023 ny fizahan-tany ambanivohitra amin'ny lalam-pirenena faha-7 sahanin'ny Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy na ny FE.KRI.TA.MA... ♦ Mandalo fotoan-tsarotra ny Eglizy any Nicaragua noho ny olan'ny fahafahana ara-pivavahana misy any amin'ity firenena ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...