♦ Misy amin'ireo solombavambahoaka IRD no manomboka miala amin'ny fitondràna amin'izao akaiky fifidianana izao. Ilaina ny fihainoana azy ireny satria mahatsiaro ho voahilika, hoy ny mpandinika ny raharaham-pirenena, Moussa Soalihy... ♦ Nanome antoka ny mpitarika ny FMI-Malagasy fa azon'ny fitondram-panjakàna gadraina, raha tsy tanteraka ny soson-kevitra harosony, hampidinana amin'ny ampaha-efany ny vidim-piainana eto Madagasikara... ♦ Olona 23 isa no maty tany Ambilobe, noho ny faharendren'ny sambo iray, saika hitondra mpandeha antsokosoko atsy amin'ny nosy Mayotte. Nitsidika tany an-toerana ny Praiministra omaly, nanoloana izao loza nitranga izao...

♦ Hita taratra ankehitriny ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ireo samy mpanohana ny fitondrana, ary toa izany koa ny avy amin'ny mpanohitra... ♦ 23 ireo maty vokatry ny faharendrehan'ny sambo nitondra mpandeha an-tsokosoko, saika hihazo an'i Mayotte. 24 kosa ireo velon'aina soamantsara... ♦ Mitentina 1136 miliara Ariary ny hetra tsy naloan'ireo vondrona mpaninjara solika, tamin'iny taona 2022 iny...

♦ Feno 10 taona anio 13 marsa ny naha-Filohan'ny Eglizy katôlika maneran-tany ny Papa François... ♦ Manome antoka ny mpampiasa vola ny nandraisan'ny Filan-kevitry ny Ministra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna mikasika ny fampiasam-bola eto Mdagasikara... ♦ Ho marihina manomboka amin'ny alarobia 15 marsa izao ny tsingerin-taona faha-76 nisian'ny tolom-panafahana "29 marsa 1947" amin'ity taona 2023 ity... ♦ Rendrika tao amin'ny rano manamorona ny tanàna ao San Diego any Californie, ny alin'ny sabotsy teo, ny sambokely miisa 02, nitondra mpandeha an-tsokosoko. Nisy olona miisa 08 maty voakatr'izany...

♦ Feno 10 taona anio 13 marsa ny naha-Filohan'ny Eglizy Katôlika maneran-tany ny Papa François... ♦ Namoizana ain'olona miisa 22, ny loza nahazo ny sambo saika handeha antsokosoko any amin'ny nosy Mayotte tamin'ny Sabotsy alina... ♦ Nahato vonjy maika ny fampiharana ilay "droit de sortie" na tataon-ketra manokana amin'ny fanondranana ny vatosoa any ivelany, ary apetraka ny haba tokana amin'ny fanondranana... ♦ Maherin'ny 7.000.000 isa ny olona lasibatry ny hain-tany, vokatry ny fiovan'ny toetr'andro any Irak. Hamboly hazo hatrany amin'ny 5.000.000 fototra noho izany ny governemanta Irakiana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...