♦ Miteraka resa-be ilay fanapahan-kevitry ny fitondràna tsy hanitsy ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana 2023. Fahadisoana lehibe na "faute grave" ny tsy hanaovana izany hoy ny antoko VHT... ♦ Vola 500 tapitrisa dôlara isan-taona no voahodikodina eo anivon'ny Jirama hoy ny solombavambahoaka Rolland Ratsiraka. Mangataka amin'y Bianco sy ny PAC izy, hanokatra fanadihadiana momba izany... ♦ Distrika 100 manerana ny nosy no kendrena hisitraka tetik'asa fiahiana ara-tsôsialy eo anivon'ny Ministeran'ny mponina amin'ity taona ity. Havaozina hanatsarana izany ny pôlitikam-pirenena momba ny fiahiana ara-tsôsialy...

♦ Maherin'ny 57.000 isa ireo tsy tomombana, maherin'ny 29.000 isa ireo anarana niverimberina ao anatin'ny lisi-pifidianana. Nampahafantatra izany ny Ceni omaly, taorian'ny fitsirihana natao tamin'io lisitra io... ♦ Nihaona tany Paris ny Filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron sy ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Seha-pampandrosoana maro no voaresaky ny roa tonta tamin'izany... ♦ Antotan-kevitra mirefy 16 km no voatahiry eo anivon'ny Arsivam-pirenena malagasy nanomboka tamin'ny 1824. Nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Arsiva isika eto Madagasikara, nentina nampahafantarana izany....

♦ Hataon'ny Diôsezin'Antananarivo veloma sy ho tsofin-drano, mialoha ny hihazoany ny Diôsezin'i Morondava, izay nahavoatendry azy ho Eveka Mpanampy, i Mgr Rakotojaona Jean Nicolas, amin'ny talata ho avy izao... ♦ Nampahafantatra ny valin'ny fitsirihana ny lisitry ny mpifidy, teny amin'ny Foibe toerany teny Alarobia androany, ny CENI... ♦ Mipetraka eto amintsika ankehitriny, ny Antenimieran'ny varotra Israely-Madagasikara. Notokanana androany izany...

♦ Halalahana ny sehatry ny famokarana angovo eto Madagasikara. Hisy noho izany ny orinasa hifaninana amin'ny Jirama... ♦ Ho fantatra tsy ho ela ny teti-bola farany ilaina amin'ny fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... ♦ Arahanao amin'izao vaovao izao ny tantaran'ny Zotran-dalamby TCE...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...