♦ Mizotra mankany amin'ny taona fotsy ny eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Tsy azo ialàna intsony ny fikatsoan'ny fampianarana, raha toka ka tsy mandray andraikitra ny fitondram-panjakaàna hoy ny SECES Sampana Antananarivo, omaly... ♦ Velona ahiahy ireo eny anivon'ny sekoly tsy miankina amin'ny fiomanana hidirana amin'ny taom-pianarana vaovao. Tsy mbola misy lamina mazava voaran'izy ireo momba ny ho tohin'ny fanovàna amin'ny tontolon'ny fampianarana... ♦ Nilaza ho tsy afapo tamin'ny firafitry ny lisi-pifidianana ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Mifanalavitra amin'ny antontanisa navoakan'ny INSTAT hoy izy ire ny antontanisa nambaran'ny CENI ao anatin'ny lisitra...
♦ Voafaritra ny paikady ho fanatsarana ny fifandraisana ho an'ny ivon-toerana tantanan'ny Saleziana Don Bosco, momba ny fampianarana sy ny fanofanana araka'asa ho an'ny tanora... ♦ Miroso mankany amin'ny taona fotsy ankehitriny ny fahanginan'ny Oniversiten'Antananarivo. Nakaton'ny SECES ny vavahadiben'ny Oniversiten'Antananarivo androany... ♦ Mangataka fihaonana amin'ny Kômity mpikarakara ny lalaon'ny Nosy ny Taxi-Moto, manoloana ny fanesorana ny toeram-piantsonana misy azy ireo...
♦ Hiverina eto Madagasikara ka hiantsona mandritra ny 2 taona ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina indray ilay sambo hôpitaly lehibe MERCY SHIPS. Hahazo fitsaboana avy amin'ny mpitsabo entin'izany sambo izany avokoa ny mponina mila izany manerana ny nosy... ♦ Saron'ny mpitandro filaminana tao Moramanga ireo ireo andian-jiolahy saika hanafika tranombarotra iray... ♦ Hanatsara ny fanabeazana ny zazavary sy ny tovovavy ny Skoto katôlika Fanilon'i Madagasikara. Manofana ireo tompon'andraikitra avy amin'ny Diôsezy miisa 9 ny skoto 5 mirahavavy avy any Angletera...
♦ Voafidy ho sekretera nasiônalin'ny antoko PSD ny mpitarika ny Mihava Tour Siteny Randrianasoloniaiko. Miantso azy hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena ny sekretera nasiônaly teo aloha Eliana Beazaza... ♦ Olona 7 isa no maty, 20 mahery no naratra izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny lalam-pirenena faharoa (RN2), omaly tolokandro tao Marovoalavo Beforona, Distrikan'i Moramanga... ♦ Baolina kitra, norombahan'ny ekipa voafantin'Antananarivo ny amboaran'ny filohan'ny Repoblika tamin'ity taona 2023 ity. Resin'izy ireo tamin'ny isa 01 noho 00 ny ekipa voafantin'i Toamasina, omaly...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco