♦ Tonga eto Madagasikara ny vaksiny fanefitry ny MPox, olona 150.000 isa aloha no hisitraka izany amin’izao voalohany izao hoy ny fampitam-baovaon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, androany…  ♦ Mikarakara dinika sava-ranonando hanavaozana ny fanaovana politika eto Madagasikara ny vondrona PANORAMA, androany, mila havaozina hoy izy ireo ny fanaovana politika mba ho tsy fitadiavana seza pôlitika fotsiny ihany… ♦ Dahalo an-jatony no nanafika Fokontany iray tany amin’ny Kaominina Isoanala, Distrika Betroka, androany. Niditra an-tsehatra naka ireo omby ireo lasan’ny dahalo ny angimby an’ny Tafika Malagasy…

♦ Tsy hionona fotsiny amin'ny tsenan'i AGOA fa hivelatra amina tsena any Europe sy Asie ary Moyen-Orient, isika hoy ny ministeran'ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina... ♦ Novatsian'ny Fanjakàna Japonnais vola mitentina 68 miliara Ariary hanatsarana ny kalitaon'ny fisitrahana herinaratra ho an'i Toamasina amin'ny alalan'ny tetik'asa TATOM ny ministeran'ny Angovo sy ny akoran'afo... ♦ Mbola eto Madagasikara mihitsy ny valan'aretina MPox ka mila hamafisina hatrany ny fitandremana sy ny fisorohana indrindra ho an'ireo olona marefo... ♦ Miantso mba hisian'ny filaminana sy hanamafy ny vavaka amin'izao karemy izao ny Nonce Apostolique any Koweït...

♦ Nitohy tamin'ny dinika niarahana tamin'ireo avy amin'ny Dicastère misahana ny fanabeazana any Vatican omaly, ny fitsidihana nataon'ireo solontenan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara any Rome... ♦ Nifandimby nandray ireo vondrona sy antoko pôlitika teny Ambodivoina ho an'ny andron'ny omaly alarobia 4 marsa ireo solontena avy amin'ny vondrona SADC... ♦ Nahitana fidinany 200 Ariary isaky ny litatra avokoa ny vidin'ny lasantsy, solika fandrehitra ary ny gazoaly amin'ity volana marsa ity araka ny fanitsiana navoaka ny ôfisy Malagasy misahana ny solika (OMH), androany alakamisy...

♦ Andrasana ao anatin'ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ny fomba hitantanana ireo tahirin'andramena hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika, Randrianirina Michaël... ♦ Nankalaza ny andro maneran-tany iadiana amin'ny fanararaotana mamoafady mihatra amin'ny ankizy, ny fikambanana ECPAT 360. Nisy ny fanentanana natao tamin'ny mpianatra teny amin'ny Lycée Saint Michel Itaosy... ♦ Nihaino ny fitarainan'ny mpanao gazety ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina ka nilaza fa hamoraina ny fikarakaràna ireo antontantaratasy ilaina hangatahana ny mari-boninahi-pirenena...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...