♦ Ho hentitra amin'ny fanaraha-maso ny fananan'ny Filoha ankehitriny zom-pirenena Malagasy, ny antoko MMM, amin'ny fifidianana ho avy io... ♦ Miroso ny fanamboarana ny ampahan-dàlana ratsy ao an-drenivohitra, hoy ny Minisiteran'ny Asa Vaventy... ♦ Takin'ny sendikà SECES, Sampana Antananarivo, ny hanatrarana sy hamoahana ny anaran'ireo tompon'andraikitra voalohany tamin'ny hosoka, nandritra ny Bakalôrea farany teo...
♦ Nanome tohana ara-bola mitentina 9 hetsy Dôlara ho fanampiana amin'ny fikarakarana fifidianana malalaka sy mangarahara ary eken'ny rehetra eto Madagasikara, ny Governemanta Amerikana... ♦ Nanohy ny hetsika tamin'ny alalan'ny "Sit-in" ny sendikan'ny SECES Sampana Antananarivo omaly, teny Ankatso. Tsy hihemotra amin'ny fitakiana izay nataony izy ireo, araka ny lahateny teny an-toerana... ♦ Naneho hevitra momba ny delestazy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran'afo, efatra andro tao aorian'ny fe-potoana nomen'ny Filoham-pirenena...
♦ Hamoaka ireo gadra pôlitika rehetra any am-ponja ny Rodoben'ny Mpanohitra, raha mahazo fitondrana aorian'ny fifidianana... ♦ Hanome tohana ara-bola mitentina 9 hetsy Dôlara, mba hisian'ny fifidianana madio, mangarahara ary eken'ny rehetra amin'ity taona ity, ny Governemanta Amerikana... ♦ Samy tsy hanaiky ny hanaovana ho tantely afa-drakotra ny CNaPS ireo mpiasa sy ny Tale Jeneraly vaovao...
♦ Andrasana ao Antsiranana amin'ny sabotsy izao ny afon'ny lalaon'ny nosy. Hitety tanàna maro eto amin'ny nosy izy aorian'izany mandra-pahatongany ao amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina hanatanterahana ny lanonam-panokafana ny lalaon'ny nosy andiany faha-11... ♦ Mitohy ao amin'ny distrikan'i Vohemar androany ny fitsidiham-paritra ataon'ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina any amin'ny Faritra Sava. Tao amin'ny Distrikan'Andapa izy omaly... ♦ Miantso ny CENI hamoaka ny vinavinan'ny datim-pifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny Antoko Politika Madio na ny APM... ♦ Raharaha any Niger : mihaona ao Abouja-Nizeria, androany, ireo filoham-panjakàna ao amin'ny CEDEAO...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco