♦ Natsahatra amin'ny asany ny governemanta tarihin'ny praiministra Rajaonarivelo Herintsalama. Hiroso tsy ho ela ny fanendrena praiministra vaovao... ♦ Nivoaka androany ny didim-pitsarana avy amin'io Filan-kevi-panjakàna io mandidy ny hamerenana ny fifidianana ben'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Velon-taraina ny tantsaha mpamboly "orge" any amin'ny Faritra Matsiatra-Ambony sy Amoron'i Mania... ♦ Nampahafantarina ôfisialy, androany, ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon-XIV, any Monaco...
♦ Isany sakana tsy nahafahana nampandroso ny firenena Malagasy tamin'ireo fitondrana nifandimby teo aloha ny fisian'ny kolikoly hoy ny fikambanana A.E.M GP... ♦ Handray anjara amin'ireo dingana rehetra hirosoana amin'ny fifidianana eto Madagasikara ny antoko vaovao (RPMU) Fifohazan'ny Tia Tanindrazana Tafaray... ♦ Mangataka ny afahan'ny vehivavy mpiasa eto Madagasikara mitsahatra amin'ny asa, saingy misitraka fisotron-dronono feno eo amin'ny faha-55 taonany ny sendika FISEMARE... ♦ Manahy ny hiitaran'ny ady misy any amin'ny faritra Moyen-orient ny Papa Léon XIV...
♦ Nakotroka ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy omaly teny Anosy, nitarika izany ny vadin'ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara... ♦ Hanomboka ny fanarenana ny tanànan'i Toamasina, raha ny vonjy voina maika no natao tao anatin'izay iray volana izay, hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika tany Toamasina ny sabotsy teo... ♦ Miha-mitombo ny herisetra ara-nofo mianjady amin'ny vehivavy mpiasa eny amin'ny toeram-piasàna eto Madagasikara hoy ny FISEMARE... ♦ Nafana ny fifandonana, teo amin'ny Hezbolah sy ny commando an'ny tafika Israeliana tany Nabi Chit, alina...
♦ Nanambara Andriamatoa Ratsietison Jean Jacques fa tsy misy akony amin'ny toe-karena eto Madagasikara ny fanitsiana ny vidin-tsolika isam-bolana. Mila miroso amin'ny sandam-bola tsy miovaova isika amin'izao fotoanan'ny fanavaozana izao hoy izy... ♦ Niabo ny vokatra azo tamin'ny tetik'asa ProSol nofaranana tamin'ny fomba ôfisialy tamin'ity herinandro ity. Tetik'asa vaovao hanamafy ny fahasalaman'ny tany indray no mandimby azy... ♦ Fankalazana ny andron'ny 8 marsa, mitondra ny anjara birikiny manamafy ny fahaizan'ny vehivavy sy ny tovovavy hifehy ny nomerika ny ministera misahana ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco