♦ Hivoaka anio ny lisitra ôfisialin'ireo kandidà afaka hiatrika ny fifidianana ho filoham-pirenena. Anisan'ny andrasan'ny maro ny momba ny firotsahan-ko fidian'ny filoham-pirenena am-perin'asa, noho ireo fitoriana samihafa, momba ny zom-pireneny... ♦ Tsy maintsy mametra-pialàna rahampitso ny filoham-pirenena ankehitriny Andry Rajoelina, raha ankatoavin'ny HCC ny firotsahan-ko fidiany. Tapitra ny fe-potoam-pitondràny, araka ny voalazan'ny Lalam-panorenana... ♦ Mitaky onitra omby 80 isa ny fianakavian'ireo tovolahy miisa 2, tsy manan-tsiny notifirin'ny Zandary tany Bebaboka-Maintirano. Hanatitra ny razana eny amin'ny foiben'ny Zandarimariam-pirenena izy ireo, raha tsy azo ireo omby ireo...
♦ Antoko telo manana kandidà amin'ny fifidianana no nametraka fitoriana teny amin'ny HCC omaly. Fitoriana mangataka ny tsy hankatoavana ny firotsahan-ko fidian'ny filoha ankehitriny... ♦ Kandidà efatra no efa nisintona ny firotsahan-ko fidiany ho filoham-pirenena amin'ny 9 novambra. Nanapan-kevitra ny hiroso amin'izany koa omaly Ramatoa Annick Ratsiraka, natolotry ny antoko AREMA, araka ny fapitam-baovaon'izy ireo... ♦ Niakatra fitsaràna tany Londres omaly ilay raharaha nisamboran'ny Fitsaràna Britanika an-dRamatoa Romy Randrianarisoa, talen'ny fiadidiana ny Repoblikan'i Madagasikara teo aloha... ♦ Olona miisa 3 no nomelohin'ny fitondràna irakiana ho faty ka nahatona tamin'ny tady...
♦ Nôvisy 17 mirahalahy no nanonona ny voady voalohany ho ao amin'ny Fikambanan'ny Salezianina Don Bosco, tao amin'ny Centre Notre-Dame de Clairvaux androany... ♦ Namangy sy nakahery ny fianakavian'ireo 12 mianadahy namoy ny ainy tamin'ny fifanosehana tamin'ny fankokafana ny Lalaon'ny Nosy teny amin'ny Kianjan'i Mahamasina, ny Filohan'ny Repoblika mivady, androany tolakandro... ♦ Napetraka tamin'ny fomba ôfisialy androany ireo manamboninahitra ambony ho Jeneraly. Teny amin'ny Tobin'ny Vondron'ny Mpliatsaka an'elonaina Ivato, no nanatontosana izany...
♦ Nametraka fitoriana teny amin'ny HCC androany, ny antoko HVM, mangataka ny tsy hankatoavana ny firotsahan-ko fidian'ny Filoha amperin'asa... ♦ Namoaka fanambarana miantso amin'ny hiarovana ny fitoniana sy ny fisorohana krizy eto Madagasikara, ny antoko Roso ho an'ny Demôkrasia Sôsialy na ny RDS, tarihin'Andriamatoa Rakoto Andrianirina Fetison...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco