♦ Hijoro hanohana ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena, ireo antoko sy vondron'antoko izay nanao fanambarana teny Ilafy, ny maraina teo... ♦ Ain-dehiben'ny firenena ny Fadintseranana, ka tsy mety raha atao takalon'aina amin'ny tsy fitovian-kevitra ara-pôlitika, hoy ny Tale Jeneralin'ny Fadintseranana... ♦ Manamarika amin'ny fomba ôfisialy ny Androm-pirenena ho an'ny Varika ao amin'ny faritra arovana Maromizaha, i Madagasaikara anio...
♦ Andro natokan'ny Papa François hanentanana ireo mpino rehetra maneran-tany hivavaka ho an'ny fandiam-pahalemana, ny anio zoma. Manamafy izay antso izay ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Miandry ny valintenin'ny Préfet an'Antananarivo amin'ny fangatahana ny Coliseum Antsonjombe, ny vondron'ireo kandidà; izy ireo izay mbola hanohy ny diabe am-pilaminana eny Ambohitrarahaba anio... ♦ Diso hevitra ireo izay mitaky ny hanovana ny Governemanta ankehitriny, izay tsy mpikarakara ny fifidianana, hoy ny Minisitra Pierre Houlder...
♦ Mbola nanohy ny diabe am-pilaminana fanaony androany, ny vondron'ireo kandidà 10. Tahotra ny hifaninana sy tsy vonona hiatrika ny fifidianana izy ireo, hoy ny kandidà Andry Rajoelina, namaly izany... ♦ Nitokona ary namelatra sora-baventy androany, ny mpiasan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Miantso ny Filohan'ity Andrim-panjakana mpanao lalàna ity, izy ireo, mba handray andraikitra, hitarika ny dinika an-databatra boribory... ♦ Nakatona ny vavahadin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany, raha saika hitarika fitokonana ny sendikàn'ny mpiasa...
♦ Tokony samy hanao ho laharam-pahamehana ny tombontsoan'ny vahoaka Malagasy ny mpanao pôlitika, manoloana ny toe-javamisy ankehitriny, hoy Ramatoa Lily Razafimbelo... ♦ Nanomboka omaly teny Mahamasina ny hay ranty "Voatra" andiany faha-10. Nivoitra nandritra ny lanonam-panokafana fa tsy azo tsinontsinoavina ny anjara toeran'ny asa tanana amin'ny toe-karena malagasy... ♦ Fotoana mampirongatra ny afo, ny vanim-potoana ankehitriny, hoy ny sampana famantarana ny toetry ny andro. Maro ireo trano may, isan'izany ny tany Morondava, nahafatesana olona iray...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco