♦ Tsy hilefitra amin'ireo manana heritreritra hanelingelina ny lanonana fianianan'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, amin'ny sabotsy 16 desambra, ny mpitandro ny filaminana... ♦ Roa taona, sazy mihantona no azon'ny Sekretera Jeneralin'ny antoko Tiako i Madagasikara, Rina Randriamasinoro, tamin'ny didim-pitsarana nivoaka androany, momba ny raharaha nisamborana azy ny 2 ôktôbra 2023... ♦ Hampitombo ny voka-bary ao amin'ny Distrikan'i Marovoay, Faritra Boeny, ny fahavitan'ny lakan-drano 25 km, hanondrahana ny faritra faha-4 sy faha-5 ary faha-6 ao amin'ny lemak'i Marovoay...

♦ Mpitarika sendikà roa sy solombavambahoaka iray no samy miatrika fitsaràna nho ny raharaha pôlitika hanenjehana azy, nanomboka ny maraina teo... ♦ Tsy handefitra amin'ireo izay mihoa-pefy ny EMMO ny sabotsy izao, mandritra ny lanonam-pihanianana eny Mahamasina. Mpitandro filaminana hatrany amin'ny 6.000isa no voalaza fa hahetsika mandritra izany... ♦ Manahy ny mety ho fahavitsian'ireo mpampiasa vola vahiny hiara-hiasa amin'ireo orinasa afak'haba eto Madagasikara ny Fisemare amin'ny taona ho avy io. Nambaran'ny avy amin'ity sendikà ity fa mbola miahotra izay ireo, noho ny toe-draharaham-pirenena...

♦ Hiakatra Fitsaràna eny Anosy anio ny raharaha nanenjehana ny mpitarika sendikà, Barson Rakotomanga sy ny Profesora Sammy Grégoire, noho ny fiampangàna azy ireo ho niantso miaramila hikomy ny volana nôvambra teo... ♦ Nalefa eny amin'ny Fampanoavan'ny Fitsaràna ny raharaha nanenjehana ny mpanao gazety Gascar Fenosoa. Mbola niverenana nampanantsoina teny Fiadanana indray izy sy ny mpanao pôlitika Christian Tabera omaly... ♦ Tsy mitsaha-miakatra ny vidin'ireo entana ilaina andavanandro, indrindra amin'izao ankatoky ny fety izao. Manao antso avo amin'ny fitondràna hijery akaiky ny fihenan-danjan'ny vola malagasy ARIARY ny mpiara ny zon'ny mpanjifa MCI...

♦ Nalefa hiakatra Fampanoavana, ilay raharaha fiahiahiana fiantsoana miaramila hikomy, nanenjehana ny mpanao gazety Gascar Fenosoa. Nohadihadiana nandritra ny andiny enina mahery teny Fiadanana izy androany... ♦ Tsy mitsaha-miakatra ireo entana ilaina andavanandro. Mila jerena ny fihenan-danjan'ny vola malagasy, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Nolanian'ireo Solombavam-bahoaka fanindroany androany, ny volavolan-dalàna mifehy ny zon'ny mpamorona. Neken'izy ireo ny fanitsiana nentin'ny Loholna momba ny andinin-dalàna nifanipaka tao anatiny...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...