♦ Paikadim-pirenena vaovao no entin'i Madagasikara hiady amin'ny kolikoly, manomboka ny taona 2025. Misy atrikasa isam-paritra hamolavolana izany... ♦ Nahatratra 4.300 taonina ny lavanila nahondrantsika malagasy tany ivelany tamin'ity taona 2024 ity... ♦ Hajoro ny fikambanan'ny infirmiera aty Afrika. Hisy ny fivoriambe ataon'ny infirnmiera malagasy any Nosibe, ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024, hanomanana izany...

♦ Fifanitsahana andraikitra eo amin'ny samy mpanatanteraka no antony mampitarazoka ny fananganana ny Governemanta, hoy ny fiarahamonim-pirenena FIVATO... ♦ Sakana isan'ny tsy mampandroso ny kaominina ambanivohitra ny tsy fahampian'ny fandraisana andraikitry ny vahoaka eny ifotony sy ny tsy fandoavan-ketra... ♦ Hanaovana ezaka manokana ao amin'ny Distrikan'i Farafangana ny lafiny fandrim-pahalemana, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana...

♦ Efa tonga an-tanindrazana ary alefa any amin'ny faritra arovana any Berenty, ireo sokatra 142 sisa velona tra-tehaka tany Comores. Sokatra miisa 208 hafa, saika ahondrana an-tsokosoko kosa, saron'ny zandary tetsy akaikin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Miankina amin'izay Governemanta hijoro no hanohizan'izy ireo ny hetsi-pitakiana ataony, hoy ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra... ♦ Vehivavy iray manodidina ny 30 taona no hita faty, nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana, tao amin'ny Kaominina Imerintsiatosika omaly...

♦ Sarona tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany maraina indray ny sokatra 200 mahery, saika hahondrana an-tsokosoko. Teratany Malagasy roa no voalaza fa tompon'antoka... ♦ Miankina amin'izay Governemanta hijoro no hanohizana ny fitakiana, hoy ny SECES, tamin'ny fanambarana navoakany. Mbola tsy mari-toerana ny Governemanta misy ankehitriny, hoy izy ireo... ♦ Nahatratra 61% mahery ny tahan'ny fahafahana fanadinana bakalôrea, ho an'ny Faritanin'i Mahajanga. Mpianatra avy amin'ny sekoly tsy miankina no nahazo ny salan'isa ambony indrindra...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...