♦ Mahita ny madilana mila hotentenana tamin'ny fifidianana farany teo ny governemanta amerikana. Miantso ny CENI hamaha ireo olana misy ary miantso ny governemanta hanadihady ny momba ny tsy fahatomombanana... ♦ Tsara ny voka-bary tamin'ity taona ity. Nitombo 8% izany raha mitaha tamin'ny taona lasa. Manohy hatrany ny asa atao hampitomboana ny voka-bary ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana... ♦ Nofaritana ho eo anelanelan'ny 11 desambra hatramin'ny 15 janoary 2024 ho avy izao ny hanombohan'ny taom-pianarana 2023-2024 ho an'ny anjerimanontolo miisa 6 eto Madagasikara sy ny IST 3 manerana ny nosy ♦ Toto afo ny zera baomban'ny tafika israeliana any Gaza nanomboka omaly maraina...

♦ Hanao laharam-pahamehana ny sôsialim-bahoaka sy ny fananganana orinasa amin'izao fe-potoana hiasana faharoa hitondrany ny firenena izao Andriamatoa Andry Rajoelina. Hitsinjo ny marefo ihany koa izy ary hanafaingana ny fampandrosoana ny firenena... ♦ Manaiky n y voka-pifidianana filoham-pirenena navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana tamin'ny fomba ôfisialy omaly ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena amin'i Madagasikara. Vonona hiara-hiasa amin'ny filoha voafidy izy ireo araka ny fanambarana niombonan'izy ireo... ♦ Manohana an'i Madagasikara amin'ny fampisakafoana ny mpianatra any an-tsekoly sy ny fanohanana ny tantsaha mpamokatra ny fandaharan'asa PAM...

♦ Hanao laharam-pahamehana ny sôsialim-bahoaka sy ny fananganana orinasa, amin'izao fe-potoana faharoa hitondrany ny firenena izao, Andriamatoa Andry Rajoelina. Hitsinjo ny marefo ihany koa izy, ary hanafaingana ny fampandrosoana ny firenena... ♦ Manaiky ny voka-pifidianana Filoham-pirenena navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana tamin'ny fomba ôfisialy androany, ireo mpiara-miombona antoka amin'i Madagasikara. Vonona hiara-miasa amin'ny filoha voafidy izy ireo araka ny fanambarana niombonan'izy ireo...

♦ Lany ho Filoham-pirenena hitondra an'i Madagasikara ao anatin'ny 5 taona ho avy indray, Andriamatoa Rajoelina Andry, araka ny didy navoakan'ny HCC... ♦ Olona 10 hatramin'ny 15 isan-kerinandro no manao ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/SIDA, eny amin'ny Hôpitaly Befelatanana... ♦ Mbola nisy asan-dahalo nitranga tany amin'ny Distrikan'i Mandoto tamin'ity herinandro ity, na dia efa any an-toerana manao hetsika manokana aza ny mpitandro ny filaminana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...