♦ Efa nivoaka tanteraka any an-dranomasina ny foiben'ilay andro ratsy nandalo tany avaratry ny nosy. Hiitatra any amin'ny faritra avaratra-andrefana ny rotsak'orana aterany ato anatin'ny roa andro manaraka hoy ny Météo... ♦ Hanapan-kevitra amin'ny tohin'ny fitakiany ny Zoma izao ny sendikan'ny mpiraki-draharaham-pitsaràna eto Madagasikara. Ampy izay ny fampanantenana tsy nahitam-bokany hoy ny filohany... ♦ Nametraka fanamby ny hamerina hasina an'Antananarivo ny filhan'ny delegasiôna manokana, omaly. Nomen'ny filoham-pirenena baiko sahady izy, hanala ny fakon'Antananarivo atao anatin'ny 7 ka hatramin'ny 10 andro...
♦ Tsy nisy hatramin'izao ny valin-teny mahafa-po avy amin'ny Minisitry ny Fitsarana, manoloana ny fitakian'ny sendikàn'ny Mpirakidraharaham-pitsarana eto Madagasikara. Hivory ary handray fanapahan-kevitra ny sendikà, ny zoma 22 marsa 2024... ♦ Nanao tsindrom-paingotra ho an'ny zandary, manolona ny kolikoy eny an-dalambe, ny Praiminisitra Ntsay Chrisitan androany, nandritra ny famindram-pibaikoana teo amin'ny Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Raikitra ny hazalambo atao amin'ilay lehilahy nanolana zazavavy kely 6 taona, tao Imerimandroso Imerintsiatosika...
♦ Kandidà voalohany natolotry ny vondrona Firaisan-kina amin'ny fifidianana solombavambahoaka ao amin'ny boriborintany fahaefatra ao Antananarivo Renivohitra i Rina Andriamasinoro... ♦ Vita sonia teny amin'ny Lapam-panjakàna Mahazoarivo ny fifanaovan-tsonia fifanarahana ara-bola mitentina 88 tapitrisa Euros teo amin'i Madagasikara sy Frantsa amin'ny alalan'ny AFD sy ny vondrona Eraopeanina... ♦ Fonjan'i Vatomandry : omena fiofanana arak'asa mamaly ny filan'ny mponina any an-toerana ireo voafonja, hiomanany sahady ihany ko amin'ny fiverenana eny anivon'ny fiaraha-monina aorian'ny fahavitan'ny sazy... ♦ Miangavy mafy ireo rehetra tompon'andraikitra amin'ny ady any amin'ny Faritra Proche-Orient Ny Papa mba hampitsahatra ny ady...
♦ Kandidà tokana sy iraisana no hatolotry ny vondrona Firaisankina, amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, manerana ny nosy... ♦ Ny 5%-n'ny zava-manana aina maneran-tany, dia eto Madagasikara avokoa, zava-dehibe araka izany ny fanamafisana ny vahaolana amin'ny fiarovana ireo karazan-java-manana aina ireo, hoy ny Minisitra Max Andonirina Fontaine... ♦ Nanamafy ny fitakian'ireo mpianatra nivoaka teo anivon'ny IFIRP, amin'ny tokony handraisana ho mpiasam-panjakana azy ireo, ny sendikàn'ny mpiasa SISFM...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco