Nandefa hafatra ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena sy ho an'ny vahoaka Malagasy, ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fahamarinana sy ny Fiadanana, na Justice et Paix, tao aorian'ny fivoriambe faharoa natao ny tamin'ity taona 2024 ity, ny 15 hatramin'ny 18 ôktôbra 2024.

 

Ho an’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga eto amin’ny firenena,
Ho an’ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitra-po rehetra.

Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’i Jesoa Kristy Tompo!

Nanatanteraka ny Fivoriambe faharoa tamin’ity Taona 2024 ity izahay Vaomieran’ny Eveka momba ny Fahamarinana sy ny Fiadanana ny 15 – 18 ôktôbra 2024. Tsara ho marihana fa ny « Justice et Paix » (Fahamarinana sy Fiadanana) dia Vaomiera ao anatin’ny Eglizy Katôlika ary mijoro ara-dalàna. Noho izany, dia tsy miolonolona ity vaomiera ity fa mizara ny hafaliana sy ny tebitebin’ny olombelona: “Ny hafaliana sy fanantenana, ny fahoriana sy ny ahiahy manjo ny olombelona amin’izao fotoana izao, manjo indrindra ireo mahantra sy mijaly dia hafaliana sy fanantenan’ny mpianatr’i Kristy” (Vat. II, Hafaliana sy Fiadanana n°1, §1). Ka adidiny ny mampianatra sy mikolokolo ary maniraka. Andraikitra ankinina aminy ny fiahiana ny maha-olona feno ny isam-batan’olona sy ny olona manontolo ary ny olona rehetra ao anatin’ny fihavanana sy ny fiadanana marina. Manana ny fomba fiasany ny Vaomiera araka ny fampianarana sôsialin’ny Eglizy: Mijery – mandanjalanja – mikatroka – mankalaza ary manampy izay rehetra mikatsaka ny fahamarinana. Rehefa avy nifampizara sy namakafaka ny zavamisy eny ifotony izahay dia manolotra izao fehin-kevitra izao.

  1. Tena marary ny firenena… Mikoroso fahana ny fiharian-karena. Tsy afenina fa tsy manana planina mahenika ny sehatra rehetra mipetraka entina hanarenana ireo isika. Raha ny marina dia ny Repoblika voalohany no farany mametraka drafitra tena maty paika entina hampandrosoana an’i Madagasikara. Programa no napetraka taty aorina ka tsy afahana mahita ny lavitr’ezaka sy fohy ezaka. Maro ny gaboraraka eo amin’ny fiainam-pirenena. Mihena ny risipon’ny olona hamokatra ary miharatsy ny kalitaon’ny vokatra satria dia mbola manjaka hatraiza hatraiza ny tsy fandriampahalemana sy ny fibodoan’ny sasany ny tanin’ny hafa. Miseho lany ny fitsaram-bahoaka satria tsy matoky ny tompon’andraikitra ny vahoaka amin’ny faritra maro ary mampametra-panontaniana ihany koa ny ataon’ny mpitandro filaminana sasany mamono sy mitifitra ireo olona voasambotra. Mitotongana ary ambany ny kalitaon’ny fanabeazana: maro ny sekoly mikatona any ambanivohitra, betsaka ny ankizy sy ny tanora no mitsoaka an-daharana tsy mianatra intsony, ny fampianarana dia zara fa misy sy atao any amin’ny faritra sasany. Be dia be ary mitombo isa ireo tanora manana diplaoma nefa tsy an’asa. Mila jerena haingana sy mazava ny tontolon’ny fampianarana mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny Firenena sy ny fiaraha-monina ireo olana ireo. Izany no mahatonga anay hametra-panontaniana manao hoe: Fanabeazana sy fampianarana mitondra mankaiza no ajoro eto amin’ny firenena? Betsaka ny tsy mahazo fitsaboana araka ny tokony ho izy: lavitra ny toeram-pitsaboana (CSB), tsy ahitàna mpitsabo indraindray, lafo ny saram-pitsaboana. Lasa kolom-piainana mahazatra tsy mbola nahitana fanàfana hatramin’izao ny fahalovana sy ny kolikoly (corruption) arahana fanambakana isan-karazany izay hita amin’ny lafiny sy ny sehatra rehetra ka mamono tanteraka ny maha-olona. Maro amin’ireo natao hiaro ny zo sy ny aina ary ny fananam-bahoaka sy ireo mpampihatra Lalàna no lasa miray hina amin’ny “tambazotran’ny mpanao ratsy”. Ny tontolo iainana dia potika tanteraka noho ny doro tanety sy ny fanimbàna ny ala izay miha mahazo vahana indray ary mikorontana ny toetr’andro ka miharitra ny loharano vokatr’izany. Very fanahy mbola velona ny vahoaka ary tsy voatandro intsony ny soatoavina maha-Olona, maha-Malagasy, maha-Kristianina. Ireo rehetra ireo sy izay tsy voalaza eto dia vokatry ny fanaovana politika tsy nety izay nisy hatramin’izay teto amin’ny firenena: fitadiavana seza, fitadiavana tombotsoa manokana sy ho an’olom-bitsy, fangoronana sy fanararaotam-pahefana, fanaovana tsindrio fa lavo, fanindrahindrana na koa fitsikeràna be fahatany nefa tsy mandray andraikitra, fandraisana ny tsy mitovy amin’ny tena ho toy ny fahavalo… Politika inona izany?

  2. Misy tokoa ary hita ny ezaka ataon’ny tompon’andraikitra toy ny fanamboaran-dàlana amin’ny toerana sasany ka manamora ny fivezivezena sy ny famoaham-bokatra na dia mbola betsaka aza ireo làlana simba sy tsy misy fanamboarana. Eo koa ny fananganana ireo foto-drafitrasa manakaiky vahoaka toy ny sekoly, ny hôpitaly, ny biraom-panjakana isan-karazany fa betsaka amin’izy ireny koa no zara fa vita sy tsy mbola miasa. Eo ihany koa ny ezaka iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana izay nahitam-bokany tsara tamin’ny faritra sasany. Toy izany koa ireo fanampiana ara-tsôsialy isan-karazany ho an’ny vahoaka… Tokony tohizana sy hamafisina ary hatsaraina hatrany ireny rehetra ireny.
    Na eo aza anefa ireo ezaka rehetra ireo dia iaraha-mahita fa tena mahantra ny vahoaka ary miharatsy hatrany ny zava-misy. Tapi-dalan-kaleha toy sokina nanani-bato ny maro ankehitriny ary diso fanantenana. Betsaka ny mitrongy vao homana. Rehefa ny tompon’andraikitra no tsy vonona miatrika ny adidiny tsy mikatsaka vaha-olana na lavitr’ezaka na fohy ezaka, tsy vonona hanatsara ny zava-misy ary tsy mitsinjo lavitra dia ady tokoa ny fiainana.

  3. Ampatsiahivina indray isika fa ny fanaovana pôlitika dia fanasoavana sy fanompoana ny olona manontolo sy ny olona rehetra fa tsy fitadiavana tombotsoa ho an’ny tena na ho an’ny saranga na antoko na foko. Fantatra fa tsy mora ary mety hihatra aman’aina aza, araky hafatry ny Papa Paoly VI ary nohamafisin’i Papa Fransoa, ny mirotsaka amin’ny raharaha pôlitika satria tsy anjaran’ny Eglizy mivantana izany, nefa tsy azony atao koa ny mitazam-potsiny, na mihalangalana satria ny pôlitika no faratampony amin’ny fiainana ny fitiva-namana sy fanompoana ny vahoaka amin’ny fikatsahana ny soa iombonana. (Resaka tamin’ny CVX italiana, aprily 2015). Aza gaga isika raha milaza mazava tsy ampihambahambana ny zavatra mety sy ny zavatra tsy mandeha amin’ny fiainam-bahoaka izahay.
    Voantso hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fizakana ny tany araka ny nandaharan’Andriamanitra azy isika (Vat. II, Hazavan’ny Vahoaka n°31), ary “adidy ny tokony hirotsahan’ny kristianina mba hampivoatra ny lafim-piainana ara-nofo. Anisan’ny vahoaka isika kristianina ka tokony hiara-mandray andraikitra amin’ny vahoaka sady tokony hikatsaka ny fahamarinana sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny toerana rehetra sy ny zavatra rehetra (Jereo Apostolicam Actuositatemn°7 §5).

  4. Hiatrika fifidianana izay ho Ben’ny Tanàna sy ireo Mpanolotsaina ny Firenena atsy ho atsy. Ity fifidianana ity no azo lazaina fa manakaiky vahoaka. Zavatra tsara ny mahita ny an-kamaroan’ny olona efa liana amin’ny fifidianana fa saingy mbola misy koa ireo tsy mirona amin’izany satria heveriny fa tsy hampiova na inona na inona izany fifidianana izany. Koa aoka ny tompon’andraikitra rehetra amin’izany mba hanomana sy hanatanteraka ao anatin’ny fanarahan-dalàna sy fahamarinana ary ara-drariny. Iangaviana ianareo mpanao pôlitika mba hanana toe-tsaina mpifanina fa tsy mpivahavalo satria samy milaza tia tanindrazana. Irina mba tsy hisy hanararaotra ny fahantran’ny vahoaka. Ary aoka isika vahoaka mba tsy hiraviravy tanana fa handray andraikitra ary hanatanteraka ny adidy masina tokony atao.

Miantefa amintsika kristianina sy ny tsara sitrapo rehetra ny antso amin’ny fandraisana andraikitra ka vonona ny hahafoy tena sy hanompo ary hampanjaka ny fahamarinana anaty fahafoizana ho an’ny tanindrazana fa io no làlana mitondra amin’ny fihavanana. Noho izany dia tianay eto am-pamaranana ny mamerina etoana ny hafatry ny Raiamandreny Eveka tany amin’ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly 2024 tany Antsiranana: “Tsy mifidy tany iainana azy ny fahamarinana. Ny kolikoly no mifanohitra amin’izany. Voairaka ianareo hitodika amin’ny fiaraha-monina misy antsika feno kolikoly sy fanambakana isan-karazany, nahoana ny tontolo rehetra misy antsika no vitsy olona marina? … Fahafoizana sy fanompoana anatin'ny fahamarinana no afahana manorina fihavanana marina hanasitrana an'izao tontolo izao…”

Araka ny hafatry ny Papa Fransoa tato ho ato dia entintsika am-bavaka manokana ny fandriampahalemena eran’izao tontolo izao ary indrindra ny eto amintsika… Ankinina amin’i Masina Maria Mpanjakavavin’i Madagasikara, i Masindahy Josefa ary Olontsambatra Lucien Botovasoa.

Antananarivo, 18 0ktobra 2024, Fetin’i Masindahy Lioka, Evanjelista.
Amin’ny anaran’ny Justice et Paix Madagascar:

S.E. Monseigneur Benjamin Marc RAMAROSON, Président
R.P. Sata Jean Noel ANDRIANASOLO, Secrétaire Général

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...