♦ Nanetriketrika ny fitsenana an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, tamin'ny alarobia 9 ôktôbra 2024... ♦ Pretra roa sy Diakra iray avy amin'ny fikambanana Frères Mineurs Capucins no nohamasinina tamin'ny alahady 6 ôktôbra 2024, tany Befandriana Nord, Diôsezin'Ambanja... ♦ Ny Fanahy Masina no miantoka ny maha maneran-tany sy maha iray ny Eglizy, hoy ny Papa François, nandritra ny Audience générale, ny alarobia 9 ôktôbra 2024...

♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

♦ Feno 12 taona amin'ity taona 2024 ity ny nananganana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Hankalaza ny faha-130 taona niorenan'ny fikambanana sy ny faha-75 taona nahafatesan'ny Vénérable Mère Marie des Anges, ny fikambanana masera Carmélites de Sainte Thérèse de Turin, ny 6 ôktôbra 2024... ♦ Namarana ny famangiana apôstôlika andiany faha-46, nataony tany Luxembourg, ny Papa François omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 29 aogositra 2025

• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...