Vehivavy lozabe ny renin' Nary vadin'i Soatiana. Ferany ny zanany lahy tsy hanome vola ho tantanan'i Soatiana. Miaina latsalatsa isan'andro i Soatiana toy ny hoe : vehivavy momba, mpangalatra, mpamosavy, mahantra. Nilaozan'i Nary sy ny reniny nandeha tany Toamasina i Soatiana ary tsy namelany vola mba hamidy sakafo.

Tsy salama i Meltine renin'i Hery sy Vola, izay misy 4 mianadahy. Mikiry manao ny asa fikarakaràna tokan-trano ihany izy anefa mbola reraka. Philbert sy Meltine mivady dia mifamaly lava, kizintina aokizany ilay rangahy. Mpinamana tsy nifankafoy i Meltine sy Berthe tamin'ny mbola tany Diego, ary nifanena tao Antananarivo. Nandainga tamin'ny zanany i Meltine, tsy nampahafantariny ireo zanany ny fisian'ireo fianakaviana nipoirany.

Ny toerana nisy ny fianakavian-dRamily sy Ratovo dia tanàna iray niaina tao anatin’ny fiaraha-miaina, tamin’ny fihavanana sy firaisan-kina ary fifampitsimbinana, izany hoe ny fitondran’ny notarihin'ireo zokiolona. Rehefa voaroaka tamin’ny fanendrena miaramila tany Frantsa Atoa Ramily, dia nody teo an-tanindrazana izy ary niezaka mba hananganana rafitra sy fifandraisana izay inoany fa inoany hampandroso mihoatra noho ny teo aloha. Nanampatra ny fananany fitaovam-piadiana sy fahefana Atoa Ramily.  

Mpianadahy i Koly sy Tovo, izay samy milona ao anatin'ny rendrarendra. I Koly dia voasariky ny tosiky ny tambazotra sôsialy hanao asa fivarotan-tena amin'ny fomba miavaka. Vazaha lahy iray, atao hoe Esteban-Fernando, avy any LaFrantsa no nifanaiky tamin'i Koly, fa hiaraka mandritra ny 4 volana any Nosy-be, hanao fizahan-tany. Ny fianakaviana misy an'izy mianadahy dia misy olana ara-pifandraisana, indrindra eo amin'ireo ray aman-drenin'izy ireo.  

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...