Tsy maintsy mitohy ny tantara ary tsy maintsy manohy mianatra i Joany. Nanapa-kevitra hizarana ny lova sy ny fananany i Margueritte Occhiena mba tsy hananany tsiny eo imason'ny fiaraha-monina sy ny zanany. Nanambady ihany koa i Antoine rahalahin'i Joany...

Tamin'ny taona 1815, ny 15 aogositra, izay fetin'ny "Asomption" na ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra no teraka i Jean na Joany, izay tsy iza fa i Md Bosco, tao amin'ny tanàna iray anatin'ny Firaisan'i Castelnuovo d'Asti, 27 km miala eo amin'ny renivohitr'i Turin ao Italie.  Margueritte Occhiena no reniny ary François no rainy. Telo mirahalahy ny zanak'i François : Antoine, Joseph ary Joany...

Tantaram-pianakaviana telo mianaka miaina anatin'ny fananana. Seth sy Rina dia mpianadahy samy miaina anaty rendrarendra isan-karazany. Tovolahy be famaliana ary mpamalivaly i Seth, mpinamana amin'i David izy, ary mifampitarika amin'ny fifohana zava-madomelina sy fisotrohana toaka. Nandratra ny fon'i Ramatoa Lala renin'i Seth sy Rina ny fampiasàn'izy ireo fomba fiteny tenin-jatovo, izay midika ho famingavingana. 

Tavela tany amin'ny toerana lavitry ny tanàna i Naina sy Njaka, fa simba ny fiara noentiny, sahabo ho 20km eo ho eo. Nanan-kevitra ny hitady vahaolana hamboarana ny fiara ary koa nizaha sakafo hohanina. Teo ampakàna rano hosotroina tamin'ny renirano iray i Naina no nahita trangan-javatra hafahafa ; hitany taratra tao anaty rano, vehivavy tsara tarehy sy miankanjo lava tsara. Raiki-tahotra izy roalahy nandritra iny fotoana iny.   

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...