Henintsoa sy i Fetra dia mpianadahy namita fianarana tany amin'ny toerana lavitry ny ray aman-dreniny. Arthur no anaran'ny olontian'i Henintsoa, io lehilahy io dia tera-tany vahiny. Nisisika ny hipetraka amin'ny villa iray i Henintsoa. Miadisaina ny amin'ny nanjavonan'i Zo fofombadiny i Fetra, i Santatra rahavavin'i Zo no nampahafantatra iry fofombadin'ny zokony ny mety ho antony tsy nahitana azy.

Tanora miisa telo dia Lanja, Dera ary Meva no nanan-kevitra ny hanao fanadihadiana sy fikarohana mikasika ny lava-bato iray ao Fandravazana. Maro ny fahitana tsy nampoizin'ireo tanora ary feno fitaintainana izy ireo. I Meva no tena saro-tahotra anefa azo heverina fa manana hakingan-tsaina ihany. Mifankahery hatrany izy ireo mba havitana manohy  ny fikarohana mikasika ny zava-miafina ao anatin'ny lava-bato.

Voaray ho mpampianatra mpiasam-panjakana i Vatosoa rehefa nikaroka hevitra samihafa ary voatendry hiasa ao Arivonimamo. Ity tovovavy ity dia voafitaka tamin'ny fiainam-pitiavana satria nampifilafilain'ireo olo-tiana roa nifanesy. Nampitombo ny hambom-pon'i Vatosoa ny olana nolalovany. Faly ary mirehareha ny amin'ny fahazoan'i Vatosoa asa sy andraikitra ingahy Randria sy Ravololona, ray aman-dreniny.

Efa taona maro no tsy nitsidika ny tanàn'Andohanakomena nahaterahany sy misy ny ray aman-dreniny i Faly, toerana lavitry ny fivoarana. Nifanena tamin'i RaMiandry izay lehilahy lehibe mpitsabo nentim-paharazana i Faly rehefa tonga nitsidika ny fianakaviany. Herinandro mialohan'ny nahatongavan'i Faly no nanatontosana ny fankalazana ny fetin'ny taranak'andriana. 

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...