Fanta-daza loatra eran'ny tanàna nisy azy sy niasany i Don Bosco sy ny Oratorio naoriny niaraka tamin'ireo ankizilahy tanora taizany. Hatrany an-dalana ivahiniana anaty fiaran-dalamby dia tsy misy resaka afa-tsy izy sy ny ankiziny. Nisy lehilahy iray niara-dia tamin'izy ireo nefa nanaratsy sy niampanga azy ho mpangalatra sy mpisoloky imasom-bahoaka tsotra izao, saingy tsy nahita fahombiazana tamin'izany.

Manam-paniriana hanao mompera i Michel. Nifanapatapak'ahitra tamin'i Don Bosco ny amin'ny fikasany izy. Nanampy azy tamin'ny fianarana teny Latina i Don Bosco. Nanindry mandry an'i Don Bosco fa ho pretra Saleziana i Michel fa tsy natao ho pretra hitondra Paroasy, na dia izany mihitsy aza no fikasany. Tanteraka tokoa izany.

Tahaka an'i Tody, tsy nampoizin-dramatoa talen'ny trano fitaizana zaza kambana fa i Line Bordas ilay vahiny efa nandrasana hatry ny ela, na dia efa niatrika azy nanoloana aza izy. Vahiny tompon-trano tokoa satria ny hany iavahany amin'ny tera-tany Malagasy ray sy reny dia ny fiteny Malagasy tsy dia manavanana azy loatra, teo amin'ny fanononana.

Nilatsaka ho mpandamina ny fifamalian'ny mompera namany sy ilay mpandroaka sarety i Don Bosco. Fifamaliana vokatry ny faniratsiran'ilay mpandroaka sarety ny Anaran'Andriamanitra Tsitoha. Tamin'ny halemem-panahy no nitondran'i Don Bosco izany, ary niafara tamin'ny kofesy nataon'ilay mpandroaka sarety.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...