Hita "ilay very". Tafahaona tamin'i Tsaraby izy ireo. Ranomaso ifangaroam-pihetseham-po maro no nifanolorana.Tsy naharitra ny fifankahitana, niserana monja ihany. Noroahin'i rain'i Tsaraby sy i Line Bordas i Tsaraby rehefa avy nifanasa vangy tamin'ireto vahiny izy.

Tratra alina teny am-pandehanana i Don Bosco. Nendahin'ny jiolahy izy, saingy fantany tsara ilay jiolahy tsy nanam-po azy akory. Nangata-pamelana taminy ilay jiolahy mba tsy hiverenany any am-ponja indray.

Mitohy ny dia hihazo an'i Mahela. Manohy ny fanazavany ny tantaran'ny tanàna i Henri mpanamory lakana. Tebiteby sy tahotra kosa no nanitsahan'i Line sy Noro ary i Pita ny tanànan'i Mahela : inona no hitranga ?

Nirohotra nanatona nitandahatra ho ao amin'i Don Bosco ny olona manana fahasahiranana rehetra ; ary isan'ny nampiasa saina azy mafy ny fiatoan'ny asa fanorenan-trano noho ny tsy fisian'ny vola hanakaramana mpiasa. Saingy nanehoan'Andriamanitra ny voninahiny sy ny asany izy tao anatin'izany.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...