Marary mafy efa tsy mahatsangana eo am-pandriana intsony i ramatoa Marguerite renin'i Don Bosco. Manindry mandry azy ny hahafatesany, ary ny tena manahiran-tsaina mafy azy indrindra, dia ny amin'ireto taizany izay efa niraiki-po tanteraka tamin-dreniny, kanefa dia ho kamboty tokoa raha tonga ny andro hahafatesan'i mama Marguerite.

Tratra alina tany am-panatanterahana fanosorana ho an'ny marary i Don Bosco, dia nandrasan'ny olon-dratsy telo lahy kendry tohana, ary nitambaran'izy ireo hovonoina. Nirahan'Andriamanitra hanavotra azy ny alika anankiray.

Tafaverina soa aman-tsara  teny amin'ny toerana niaingana izy ireo. Niara-nisakafo tao amin'ny tranom-bahiny itoeran'i Line izy sy i Noro. Fanginana, fahafaham-po tapany tamin'izay notadiavina no nandrakotra ny famaranana ny dia notontosaina.

Nahaliana ny olona ny akon'ny lazan'i Don Bosco. Namangy ny akanin'ny kamboty iray naoriny izy no nanararaotra nanamarina izany lazany izany ny vehivavy iray tena liana ny hahafantatra azy.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...