Sady olona tsy mpino i Céléstin no tsy mba nanaiky notarihin'ny relijiozy izany, na dia mba efa nitaona azy aza ny vadiny. Dimy taona ny zanak'izy ireo nefa mbola tsy mahay miteny foana. Nanatona an'i Don Bosco izy mba hamaha izany olana goavana mahazo azy izany.

Nitatitra ny iraka nampanaovina azy i Pita. Any Mahela no monina ilay rahavavy kambana amin'i Line Bordas. Maika i Line, nanadihady ny momba ny toerana tamin'i Pita. Nampitandrina azy i Noro tsy hitsabatsabaka fahatany any an-tanànan'olona any.

Nalefa hamita iraka i Pita. Hanadihady ny momba ilay kambana amin'i Line Bordas. Nosakanan'i Sambivelona tompon-tanàna mahafantatra tsara ny tantara an-dàlana i Noro, ary norahonany  hoe : raha te ho fohy aina sy te ho kizo fara dia misangisangia ozona amin'ireny zaza kambana ireny.

Tsy nahatafavoaka feo i Solo tanora ao amin'ny Oratorion'i Don Bosco, nefa hanao fampisehoana ary mpandray anjara fototra amin'ny seho an-tsehatra. Natakalon'i Don Bosco tamin'ny feony ny aretin'i Solo. Vita ny fampisehoana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...