Mpivady i Ndretsa sy i Miora anefa nisy lozam-pifamoivoizana nahazo an'i Miora ka tsy maintsy mampiasa seza misy kodiarana izy vao afaka mifindrafindra toerana ao an-trano. Nialohan'ny loza nahazo an'i Miora sy ny mariaziny dia nianoka tao anatin'ny fiainam-pitiavana lafatra i Ndretsa sy Miora anefa niova izany taty aoriana ary ranomaso isan'andro no niainan'ity farany rehefa mahatsiaro ny teo aloha sy ny fitondrana ataon'i Ndretsa vadiny azy... 

Nekena dia ankizy vavy zanak'i Antsa, manana olana io ankizy io satria tsy ampy fitiavan-dray, nisaraka mantsy ny ray aman-dreniny. Mila vaniny foana i Nekena na manao ny ezaka rehetra aza ny renibeny sy Antsa reniny. Malahelo foana i Nekena indrindra rehefa mahita ny fiainan'ireo mpiara-mianatra aminy, manana ray sy reny miara-monina sy miara-manabe. Tsikaritry ny reny fa miaraka amin'ny tovolahy i Nekena ary fototry ny fibedesana ity farany izany, tonga fotoana tokana nahafahan'izy mianaka nifampiresaka... 

01 desambra — Teraka tamin'ny 15 septambra 1858 tao Strasbourg i Charles Eugène de Foucauld de Pontbriand. Zaza faharoa tamin'ny nateraky ny ray aman-dreniny izy, saingy vao teraka iray volana ilay zokiny dia efa maty. Élisabeth Beaudet de Morlet sy Édouard de Foucauld de Pontbriand, izay mpisafo ala tao Pontbriand, no ray aman-dreniny. Olona fanta-daza amin'ny fiandrianana, na ny rainy avy ao Périgord, na ny reniny avy any Lorraine... 

I Soa dia mpanampy ary i Toky dia zafikelin'i Rabary, anatin'ny aretina efa ho taona iray izy. Nampatsiahy an'i Zily ny tokony hanampiana an'i Rabary amin'ny fitsaboana i Soa, satria hitany ho rariny izany noho i Zily nomen'i Rabary tany ho volena. Nanafatra an'i Soa mba handray an-tanana ny fitaizana an'i Toky, ary tany iray vala no natolon'i Rabary azy hiatrehana ny adidy. Maty Rabary taorian'ny hafatra napetrany tamin'i Soa. Nilaza ho nametrahan'i Rabary fitokisana i Zily ary nanamafy mihitsy hoe novidian'ity farany ny tanimboly sy tanimbary... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...