Ny fanabeazana dia miompana amin'ny lafiny telo : vatana, saina, fanahy. Ny lafika iorenan'ny fanabeazana ny olom-pirenena ho vanona dia ny "soatoavina". Teny no maha firenena ny firenena iray, etsy ankilany anefa mbola ahitàna fampifangaroana teny ny eny amin'ny tontolo hita maso sy ny re, izay no mahasarotra ny fampiasana tanteraka ny "teny malagasy" ; eo koa ny halavan'ny voamboalana malagasy tandrify ireo teny vahiny. Appel = Antso anarana. Registre = Bokin'anarana. Protége = hefina. Porte-documents = hefin-takelaka. Blouse = Hefin'akanjo. Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny foibe momba ny teny, ny akademy malagasy.

Lahabolana an-kira, fanao amin'ny faritra atsimo andrefan'ny nosy ny "beko" ka ny tena miangaly azy ity dia ry zareo Antandroy sy Masikoro ; fanao an-danonana (fahoriana na fifaliana) ity karazan-dahabolana ity. Tahaka ny karazana literatiora aman-dahabolana rehetra dia mivoatra ny "beko" ka na eo aza ny mbola fiangaliana ny "beko" nentim-paharazana dia efa misy ihany koa ny amin'ny endriny ankehitriny. Ho an'ny "beko" nentim-paharazana dia samy afaka mibeko avokoa ny rehetra : na kely na lehibe, indrindra ny zatovo lahy. Ny "beko" vaovao dia miavaka amin'ny tonony sy ny feony raha mitaha amin'ny nentim-paharazana ka ampiasaina amin'ny hira fanao any am-piangonana sy ny hira madinika izy ireny...

Ny hay famoronana resahana eto dia ilay vokatry ny saina tia karokaroka nataon'ireo mpanoratra namorona anaran-dahabolana ankoatra ireo efa nisy. Ohatra amin'izy ireny : Tôkalo, Vaninkalo, Sôvaramita, Riankalo. Nisy ny olona namorona ireo voalaza ireo araka izao manaraka izao : Tôkalo noforonon'i Radialf, ny Vaninkalo dia Mhef Bloh, ny Sôvaramita dia asa sain'i Ra-Phi ary ny Riankalo dia an'i Ranoë. Ny Tôkalo dia fifamenoana eo amin'ny tôkatôka sy ny tononkalo ka nasiana fiverenana fehezanteny eny antsefatsefaky ny tononkalo ary ny mpanatrika no manonona an'ilay fiverenana isan'andininy. Ny Vaninkalo dia  tononkalo mila vaniny amin'ny lafiny maro. Ny Sôvaramita dia sôva mingadona kidaombaramitakidaomità...

Ny valy tanana dia hatarafana ny fihavanana sy ny firaisan-kina ary fe-pihavanana. Ny valy tanana dia hita eny amin'ny lafiny arak'asa toy ny fikarakarana fambolena sy ny fanorenana foto-drafitrasa ; eo koa ny amin'ny lafin'ny fifandraisana ara-piaraha-monina toy ny fahoriana sy ny fifaliana. Tsy tontosa ny valy tanana raha tsy eo ny fokonolona, ity farany izay faritana ho vahoaka mpandray andraikitra. Ny tanjona amin'ny valy tanana dia ny soa iombonana. Valy tanana dia azo adika ihany koa hoe takonana na asa tanamaro. Tamin'ny andro nanjakan'i Mpanjaka Andrianampoinimerina no namoahana io didim-pihavanana io, izay niainga tamin'ny rafitra fokonolona, azo ambara fa haren-tsaina avy amin'io mpanjaka io ihany...

[Miara-dàlana] Zoma 23 febroary 2024

♦ Notontosaina tao amin'ny Nosy Maurice ny 11 ka hatramin'ny 17 febroary 2024 ny fiofanana sy fampiofanana momba ny fiarovana ny zaza sy ny marefo amin'ny herisetra… ♦ Manatanteraka ny “Fitsidihana miaraka” ho an'ny Faritra Afrika-Madagasikara, any Kigali Rwanda ny Filankevitra Jeneralin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco ny 20 ka 23 febroary 2024… ♦ Manentana ny kristianina hanamafy ny vavaka mba hisian'ny fandriampahalemana any amin'ny faritra atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Congo ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana…

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...