Alarobia 9 jona 2021 — Herinandro fahafolo mandavataona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19

Ry kristianina havana ! Tohin’ny Evanjely tokony naroso ho antsika omaly amin’ny fampianaran’i Jesoa ity naroso ho antsika androany ity. Omaly izy niresaka momba ny fanasina sy ny fahazavana ary tanteraka tao amin’i Masindahy Jacques Bethieu izany fa isika moa nanamarika izay fankalazana manokana izay dia Evanjely mifandraika amin’izany no naroso teto. Maka tahaka an’ireny olomasina ireny isika dia miezaka ho fanasina sy fahazavana eo amin’izao tontolo izao. Fa inona moa no maha fanasina na maha fahazavana antsika kristianina efa nadray ny fahasoavana nananganana antsika ho zanak’Andriamanitra tamin’ny batemy ? Mamaly azy ny tohin’ny fampianaran’i Kristy amintsika androany. Izay handika ny kely indrindra amin’ireo didy, hoy i Jesoa ka hampianatra ny olona toy izany dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra koa. Inona ireo didy kely indrindra sy lehibe indrindra asain’i Jesoa tandremantsika ireo ? Ny Lalàna sy ny Mpaminany izay nanomana ny Fanekem-pihavanana Vaovao dia tsy iza fa i Jesoa ihany. Tanteraka tao Aminy avokoa manko izay voalaza tao amin’ireo Lalàna sy Mpaminany ireo ka nahatonga azy niteny fa tsy tonga handrava ny lalàna izy fa hanantanteraka aza.

Anisan’ny tena "essentiel" indrindra ao amin’ny Soratra Masina ny Lalàna sy Mpaminany satria mampiseho ny sitrapon’Andriamanitra amintsika. Mazava ho azy araka izany fa tsy i Jesoa velively no handrava na hanohitra izay efa narafitr’Andriamanitra sy notanterahiny hanehoany ny sitrapony amintsika. Fanontaniana mety hipetra dia hoe : raha tsy azo dikaina na ovàna ny Lalàna sy ny Mpaminany, maninona isika no nanova ny sabata ho alahady ? Nahoana isika no tsy manao sorona biby ao an-tempoly intsony fa famantarana sisa no ataontsika ankehitriny ? Tsy maintsy mbola hitandrina ireo biby maloto sy biby madio ve isika ka hihinana na tsy hihinana an’ireny ? Ahoana ny amin’ny hoe tsy maintsy foraina na tsia ny zaza ? Tsy maintsy atolotra ho an’ny Tompo ny lahimatoa ? Sy ny sisa maro hafa, satria lalàn’i Moizy avokoa ireny rehetra ireny. Izany rehetra izany anefa no efa notanterahin’i Jesoa ka notanterahiny amin’ny fanehoana fitiavana dia ny nisoloany vaika antsika teo amin’ny hazofijaliana. Noporofoiny ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Tanteraka tao amin’i Jesoa ny voalaza rehetra any amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany ary Izy ny fanambaràn’Andriamanitra ny Tenany koa araho i Kristy sy ny fampianarany ho antsika fa izany no antoka ahafahantsika miombona fanantenana aminy ary mandray anjara sy migoka ny famonjena entiny ho antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...