Somary mifangaro amin'ny maro ny hevitry ny hoe "literatiora", betsaka no milaza fa am-bava sy an-tsoratra izy io. Ny Lahabolana dia rindran-kevitra, na rindra-teny entina maneho zavatra na toe-javatra iray, izay haseho amin'ny fomba kanto sy miavaka. Miseho amin'ny endrika tantara na fitanisàna. Lahabolana : tôkatôka, Sôva, Isa, Beko... Ny literatiora dia azo hadika hoe heo "haisoratra", izay rari-teny atao an-tsoratra ; Ohatra : poezia (tononkalo), sombin-tantara, tantara foronina, tantara tsangana. Ny "oraliture" no fihaonan'ny am-bava sy ny an-tsoratra, izay voambolana iray misy sosom-boanteny " oralité - literature"...
Ny hasina maty na very dia amin'ny alalan'ny fomba sy ny riba no afahana mamerina azy. Mbola misy ny hasina amin'ny Malagasy. Ny hoe very hasina dia tsy misy hery intsony, ary ny fampodiana ny hasina dia maro fa ohatra ny fampiasana ranom-bolafotsy. Ny fifanajana nisy teo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka ary ny samy vahoaka dia isany nampisy hasina ny Malagasy teo aloha, anatin'ireny no fanajana ny lalàna, fitsipika, fady, ny rariny sy ny hitsiny. Ny Vola dia isan'ny fanomezana hasina ny vahoaka taloha, izay nozarain'ny mpanjaka tamin'ny vahoakany...
Ny hasina amin'ny Malagasy dia ahatarafana fa mino ny Malagasy fa misy ny hery sy fahefana avy amin'Andriamanitra amin'ireo singa maro samihafa eto amin'ity nosy ity. Isan'ireo heverina fa manana ny hasina mampiavaka azy ny : rano, lanitra, biby, ny olombelona sy ny hasiny avy. Ny hasina dia hery ahafahana mandresy ny ratsy. Ny rano dia manana ny hasina ary azo adika ho aina izy io satria fototry ny niandohan'ny olombelona sy ny fahariana. Ny olona mitondra vohoka dia atao hoe "mitondra rano". Ny lanitra araka ny fahalalana azy dia fonenan'ny olomarina sy masina. Ny biby dia misy fifamatorana amin'ny olombelona ary izany dia mifamatotra aman-kasina ihany koa...
Ny "ankitonona" dia karazan-dahabolana, lalao an-tsaina atao am-bava izay miendrika fanontaniana ; Ohatra : inona ary izany "akana vao mitombo" valiny "afo". Inona ary izany : tany ambanin'ny olona, olona ambanin'ny bozaka, bozaka ambanin'ny rano, ary ny rano hodidinin'ny tany ? valiny " mpantsaka mampiasa halana miloloha siny tany feno rano. Efa any an-tsain'ny mpanontany ny valin'ny ankamantatra ka rehefa afa-po avokoa ny anontaniana vao milaza ny valiny izy no sady manazavana. Misy fiakon'ny ankamantatra amin'ny karazana lahabolana hafa toy ny fombam-pitenenana sy ohabolana ary hainteny...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco