• Rehefa vita ny fanabeazana amin'ny dingan'ny sekoly amorom-patana, izay fanabeazana ny zaza sy ny ankizy dia ny sekoly amorom-pahatra indray no entina hanabeazana ireo tanora ary ny lehilahy no volavolaina ao, ny ray sy ny raibe no miandraikitra ny fampianarana. Misy sekoly manokana ho an'ireo vehivavy sy ny tanora hiroso amin'ny fiainam-pitiavana sy fianakaviana dia ny sekolin'ny tsiambaratelo ; araka izany dia olona roa ka ny beazina sy ny mpanabe no miatrika ny fampianarana eto, raha vavy ny Beazina dia ny reny na ny renibe no miandraikitra azy, raha lahy dia ny rainy na ny raibeny.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...