Olana ho an'ny mponina ao amin'ny Kaominina Anjapaly, faritra Anôsy ny fiparitahan'ny rara-pasika amin'ny tanàna maro izay manimba ny fambolena. Ny rara-pasika be loatra no mahatonga ny mponina hifindra monina. Niara-niasa tamin'ny CRS ny mponina hifehezana ny rara-pasika tsy hiparitaka ka namboly zanak'ala laloasy sy lalanda. Ny fandrefiala mena dia misy karazany 12isa. Biby efa hita teo amin'ny nosy hatramin'ny taona 1880, tamin'ny faritra maro...
Raha mitohy dia mitondra famoizam-po ary mitarika mankany amin' ny fahafatesana ny terintsaina.(03-03-2021)
Omeo lanja hatrany izay efa manandanja aminao hatramin'izay. Mila manontany tena isika. Raha te ho vahaolana dia ilaina ny mametraka ny zavatra rehetra amin'ny toerany sahaza azy araka ny lanjany. Matetika isika dia very amin'ny hamehana ary manadino ny manandanja. Raha ny fahamaikana no hatao fiainana dia tsy ho tafita isika...
Ny fandaharana dia namaritra tetiandro, indrindra amin'ity taona ity dia ny firesahana ny tanjona ara-pahasalamana mahakasika ny vehivavy. Mba hanampiana ny vehivavy ohatra ny firesahana ny antony mankarary kibo ny vehivavy rehefa ao anatin'ny fadimbolana ; satria potika sy miharava ny rindrin'ny tranon-jaza. Misoroka ny fanaintaina ny fisotroana rano mafana...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco