♦ Olana goavana ho an'ny mponina any amin'ny faritra Anôsy ny fiparitahan'ny rara-pasika ka nahatonga ny olona hifindra-monina. Ny CRS no isan'ireo nitondra vahaolana amin'ny fambolana hazo ho fiarovana ny rara-pasika tsy hanototra ny tanàna sy ny fambolena...  ♦ Ny fandrefiala mena dia hita any amin'ny faritra Ambositra, Ranomafana Vohibe sy ny manodidina. Mavitrika amin'ny alina ary mpihanika hazo ny fandrefiala mena, ny lohany dia lehibe noho ny hatokany... 

Ny fahafantarana ny tenanao no tena antoka voalohany indrindra amin' ny fahatokisana ny tena. (14-04-2021)

Ny rarintsaina dia fitambaran'ny famalian'ny vatana sy ny taova rehetra ao anaty, manoloana tranga manokana iray na maromaro ka manome tsindry na vesatra amin'ny saina na amin'ny vatana na amin'ny taova ao anaty. Tsy mifidy taona ny rarintsaina fa mety ho tratra daholo rehefa olona, izay vokatry ny fahakelezan'ny herin-tsaina sy/na ny herim-batana manoloana tranga ara-piaraha-monina na tsy fahafahana maneho fihetseham-po... 

Mbola tsy miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha ny lalam-pihariana ronono any Vakinankaratra taorian'ny krizy nitranga tamin'ny heritaona. Manahy amin'ny ho avin'ny lalam-pihariana ihany koa ny mpiompy manoloana izao andiany faharoa amin'ny valan'aretina covid izao... 

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...