Tsy ny zava-pisotro misy alikaola sy ny rongony ihany no zava-mahadomelina misy eto Madagasika fa efa misy koa ireo hatsindrona sy hevohina, izay mahery tokoa toa ny "héroïne". Maro ny tanora voasarika amin'ny fandraisana zava-mahadomelina raha ny eto amintsika. Ny fandraisana zava-mahadomelina hatsindrona dia azahoana vaka-dratsy malaky, mety ho ao anatin'ny herinandro monja. Ireo voka-dratsiny eo amin'ny fahasalamana :  tsy fahitan-tory, marary daholo ny vatana, manavy, rera-dava, fahiazana... 

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...