Ny hanaovana ny asa tsara ho lovan'ny taranaka dia isan'andro mihitsy no hiainana azy. Noheverintsika hoe izay tsy ilaina dia fako ka ariana, kanefa mbola misy ny azo hampiasana azy ireny : ohatra ny fakon-dakozia dia ahazoana zezika compost ; ny rano nanasana sakafo dia ahafahana mamokatra olitra ho sakafon'ny akoho amam-borona ; ireo voan'ny voankazo dia ahafahana mamatsy tanin-jana-kazo kely eo an-jaridaina ; ny taim-biby ahodina ho "biogaz" ; ny vatan-kazo sy ny raviny hanatsarana ny "permaculture" ; ny "plastique" azo atao tavy dia hambolena anana sy ny voankazo. Ireo no hatao dia efa mametraka lova ho an'ny taranaka isika no sady mitsinjo ny tontolo iainana.

Fandaharana "Mba ho vanona" : famintinana ny natao nandritry ny  taom-piasana 2021-2022. Taom-piasana niresahana ny fananganana ny rindrin'ny fahavanonana : ny maha-olom-banona, ny maha-olom-pirenena ary ny tamberin'andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny fahatsorana dia toetra voajanahary ao amin'ny olona indrindra ho an'ny zaza. Rehefa mihalehibe ny olona iray dia mihataka amin'ny "fahatsorana" tsikelikely satria tia manasarotra zavatra izy ireo mba hilazany fa manandanja ny zavatra iray. Ny fahatsorana dia ahitana foto-teny  hoe "tsotra" izay midika hoe tsy miolakolaka na mangarahara. Fandraharana "Ampela miary" vokarina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny andro mangatsiaka no mampihetsika ny aretim-bavony, izany hoe ny vanim-potoana ririnina. Ny aretim-bavony dia misy karazany maro : mamaivay, fery anaty, mandrezatra lava, mitsakoahana lava, loaka na maratra na tapaka ny lalan-kanina, ny homamiadan'ny lalan-kanina na ny homamiadan'ny vavony. Ireo fambara mety hisy : maheno fivokonana na mikainkona ao anaty vavony, mamaivay, maloiloy ary mety hando, miziriziry. Ireo karazan-tsakafo mety hampiombo ny aretim-bavony : sakafo betsaka "épices", vinaingitra, toaka, fihinanana fanafody fanalana fanaintainana matetika tsy araka ny toro-mariky ny mpitsabo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...