Ho an'ny mpianakavy dia ilaina ny fifanampiana. Ny fifanampiana dia mampifanakaiky am-po ary manamafy ny fifankatiavana eo amin'ny ankohonana. Ny fifanampiana dia mampisy rafi-tsaina, izay mahatonga olona iray ho tompon'andraikitra, ho afaka hampiasa fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.

Hitsinjovana ny fahasalaman'ny olona rehetra dia naka fepetra ny holafitry ny mpitsabo ka namoaka fifanarahana mba hanentanana ny tsirairay hamantatra ny olona hanankinana ny fahasalamana. Mifampiankina ny andraikitry ny olona hitsabo anao sy ianao tsaboina. Ny anjara andraikitry ny mpitsabo : Fanabeazana ara-pahasalamana, manazava ny fomba hitandroana ny fahasalamana, fa tsy mandresy lahatra, izany hoe maneho hevitra ka ny olona manoloana azy no tompon'ny fanapahan-kevitra farany. 

Tsy azo tsinontsinoavina ny anjara biriky entin'ny fampiasana fitaovana nohatsaraina mifanaraka amin'ny filan'ny tantsaha ary mifanaraka ihany koa amin'ny fivoaran'ny teknika misy ankehitriny. Hirika mampitombo sy manatsara ny kalitaon'ny vokatra amin'ny fambolena... Dingana sy ezaka maro anefa no nolalovan'ny Malagasy mamokatra ireny fitaovana ireny.

Tokony mahay mifampikarakara, mahay mifanampy amin'ny zavatra, ilàna fifanampiana, ny rehetra na ireo mandrafitra ny fianakaviana na ny mpivady na ny fiaraha-monina. Raha ireo fepetra ireo no tanteraka dia hisy ny filaminana sy ny fahadiovana, izay misy fiatraikany amin'ny toe-tsaina sy ny toe-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Desiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...