Antsoina isika rehetra hampiseho fangorahana sy halemem-panahy amin’ny marary. Ao anatin’ny traikefan’ny faharefoana sy ny aretina indrindra no ahafahantsika mianatra miara-dia araka ny fomban’Andriamanitra mangoraka sy malemy fanahy.Ilay samaritanina tsara fanahy no ohatra ho antsika amin’ny asa fanompoana tokony hatao: Fihaonana mivantana amin’ny marary, fitsaboana, tranombahiny, ny tompon’ny tranom-bahiny, ny vola, ny fanomezan-toky fa mbola hanome vaovao mikasika ilay marary. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Manova zavatra sy manatsara fiaraha-monina ny fitiavana sy ny fifanajana. Entanina ny rehetra hanao ezaka hiaina sy hametraka fitiavana ao am-po, hampirindra ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny faha-11 febroary ny andro fankalazana ny andron'ny marary. Ny fahasalamam-bahoaka dia ireo mety mahakasika ny fahasalaman'ny olona  maro, sokajin'olona na vondron'olona. Misy ny aretina mety ahazo ny daholobe, ohatra ny tazomoka. Maro ny olona no tsy taitra amin'ny aretina mety mihanaka haingana. Ny fahasalamam-bahoaka dia ilaina araha-maso akaiky mba ahafahana misoroka, mamolavola paik'ady hanatsarana sy hitandroana ny fahasalaman'ny daholobe. Fianarana manokana mihitsy ny sampana mikirakira ny fahasalamam-bahoaka. Ireo aretina tsonitsoniavin'ny olona dia matetika avy amin'ny otrik'aretina, izay tsy voatandrin'ny olona ; eo koa ny avy amin'ny kankana. Ho fisorohana ny aretina maro dia ny fanajana ny fahadiovana...

Maro ny olona tratra ny "tsy fahampian-tsakafo" noho ny sondrom-bidim-piainana ; tsy ny zaza sy ny ankizy ihany no mety ho tratran'ity tranga ity fa ny olon-dehibe ihany koa. Ny sakafo ampy : ahitana foto-tsakafo, ahitana ihany koa ireo singa ilain'ny vatana toy ny prôteina, prôtida, gliosida, lipida, sira mineraly sy vitamina ; ireo notanisaina ireo dia azahoana hery fiarovana sy hery fanorenana. Sakafo ahitana ireo singa : hena, trondro, atody, ronono, voamaina, vary...  Ny karazana tsy fahampian-tsakafo : "Kwashiorkor" izany hoe ireo tsy ampy protide ka lasa mibinabina, fotsy hatsatra, tsy mavitrika, malaina misakafo, mivonto ny tongotra, tsy mitombo, be kibo, somary mena volo ; ny faharoa dia ny "Marasme" : ilay mahia, ireo noana lava... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...