Zava-dehibe amin'ny fivoaran'ny zaza sy ny ankizy ary adidin'ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ny miresaka mikasika ny mahalahy sy mahavavy ary ny fananahana amin'izy ireo ho fahalalana ho azy sy ho fiarovana amin'ny fanararaotana ara-nofo samihafa. Amin'ny alalan'ny fanontaniana hapetrany no hanomezana azy ireo ny fahalalana sahaza araka ny taonany amim-pifandraisana tsara sy mahatoky. Tsy misaraka amin'izany adidy izany ny fanahara-maso sy fandraisana an-tanana, ara-pahasalamana azy ireo raha ilaina...
♦ Ny tetikasa Kobaby : Tetikasa iarahana amin'ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, tontosaina any amin'ny Faritra Diana, fiaraha-misa amin'ny AFD. Tetikasa mahakasika sehampiharina miisa dimy : Ny varimanitra, Ny tantely (an-tanety sy an'ala honko), ny fihariana voankazo, ny Jono maharitra ary ny fizahan-tany ifotony. ♦ Ny trandraka: biby mampinono, misy miantso azy hoe "tandraka" na " Kelora", biby miavaka satria tsy manana rambo, mirefy 145 hatramin'ny 328mm. ♦ Bolabolanà andramena miisa 87, no tratra tao amin'ny distrika Amparafaravola...
Toa ny zezika manome aina ny fitiavana eo amin' ny tokatrano ny fanokanana fotoana manokana amin' ny fikolokolona izany. (18-11-2020)
Mihena ny tahan'ny ely ka miteraka fiafanan'ny vatana, noho izany dia mila manao mangatsiatsiaka na fitafiana na ny manodidina. Fahaizana matory: matory manomboka amin'ny 9ora alina hatramin'ny 04ora maraina, ahazoana toerimaso mamerina aina izany hoe adin'ny enina hatramin'ny valo eo ho eo. Manao fampiasam-batana hitazomana lanja, 10 minitra isan'andro ary arindra tsara mba hihetsika daholo ny ozatra...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco