Ny vavaka, ny fivavahana dia fitodihana any amin'Andriamanitra ; fankatoavana, finoana sy fitokisana Azy. Fanandratana ny fo, fanahy sy ny tena manontolo mankany amin'Andriamanitra mba hisaotra amin'ny fanomezany. Ny Litorjia dia fanompoam-pivavahana ataon'ny vahoaka ho an'ny vahoaka, asa iaraha-manao ka misy firindràna efa raikitra. Ao amin'ny Litorjia no anohizan'ny Eglizy ny asa-pamonjena... Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
28 ôktôbra 2024 — Masindahy Simôna sy Joda, Apôstôly — Fankalazana — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-16)
Mahakasika ny mpiasa sy ny mpampiasa ny sehtra rehetra : mpivarotra, mpandraharaha, ny tantsaha... Ny Mpampiasa dia manana ny zony manoloana ny mpiasa ; ity farany dia manana andraikitra hamita ny asa nifanarahany tamin'ny mpampiasa, ary mananjo handray karama ara-drariny. Mila fandanjalanjana ny sandan'ny asa nataon'ny olona iray, manan-jo hakaina ny mpiasa. Tsy tokony hifangalatra ny mpiara-belona... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Noho i Kristy, misy dikany marina ny fahafatesana kristiana "raha ny amiko dia i Kristy no ahavelomako ary, fahafatesana no azahoako tombony" ; teny mahatoky tokoa izao : raha miara maty Aminy isika, hiara-belona Aminy. Ao amin'ny fahafatesana no niantso ny olombelona hakany Aminy Andriamanitra. Tsy manana afa-tsy fotoana voafetra ihany isika ary ny fahafatesana no hahatsiarovantsika izany... Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco