Ny teny sy ny famantarana ampiasaina amin'ny litorjia dia efa voafaritra manokana mihitsy. Raha toa ka mampiasa ny tenim-pirenena dia tsy maintsy efa nankatovin'ny Foibe any Vatikana ny dikan-teny. Ny Boky ampiasaina amin'ny litorjia dia na Baiboly na ny Boky fanaovana lamesa, ireo boky momba ny Sakramenta na sakramentaly sy ireny fitsofan-drano manokana ireny dia tsy maintsy efa nankatoavin'ny Eglizy. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
1 nôvambra 2024 — Ny Olomasina rehetra — Fankalazana manetriketrika — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)
Ny andro dia isan'ireo fepetra tsy maintsy hajaina araka ny litorjia ; satria ireo mifandraika mivantana amin'ny famonjena dia didina hamasinina, ary ireo daty ireo mihitsy no ankalazana azy fa tsy azo afindra andro hafa. Fepetra takian'ny litorjia ihany koa ny arak'olona : olona maro anefa na olona iray, toy ny Pretra na Relijiozy, dia vavaky ny vahoaka izay, litorjia izay, vavaky ny Eglizy izay, ho an'ny vahoaka. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
31 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 31-35)
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco